2 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo. Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 37-42)

Evanjely manoro antsika izay tokony hatao hahatonga antsika ho mpanara-dia marina an’i Kristy ity Evanjely teo ity. Mila misafidy ny lalana mitondra famonjena isika; dia izay nosantarin’i Kristy ka arahantsika rehetra. I Kristy mantsy no lohan’ny Eglizy, loha mitarika antsika rehetra hiala eto amin’ity tany ity, hiampita any an-danitra. Noho izany raha te ho mpianany, raha te ho mpanara-dia Azy marina, raha te ho mendrika ny tombontsoa avy Aminy sy ny famonjeny, dia tsy maintsy misafidy.

Misafidy ny ho tia Azy ambonin’ny zavatra rehetra. Hahafoy izay ironan’ny fontsika mba hahafahana maka tahaka Azy. I Kristy, araka ny ambaran’ny taratasin’i Masindahy Paoly ho an’ny kristianina tany Filipy 2, 6, dia niala tamin’ny toetra maha Andriamanitra Azy ka nilatsa-tena hitovy amintsika, ho toy ny mpanompo aza. Satria isika olombelona no novonjeny, isika no nanolorany ny ainy. Faratampony amin’ny fitiavana no nasehony mba hiarihary sy ho tanteraka izay nanirahan’ny Ray Azy. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ka ao AMINY irery ihany no hianarantsika sy hiainantsika ny fitiavana marina. Fitiavana mampizotra antsika any amin’ny tena fiainana ka hahaizantsika mitia Azy mialohan’ny fitiavantsika ny ray sy reny, zanaka...

Misafidy ny hitondra ny hazofijaliana sy hanara-dia Azy hatramin’ny farany. Ny hazofijalian’i Kristy no nitondra ny rofintsika sy ny otantsika olombelona mba hahazoantsika indrafo, hihavanantsika indray amin’Andriamanitra. Koa isika navotany tamin’ny rany, ka tonga mpiray lova Aminy dia tsy maintsy miaraka Aminy, hitondra ny hazofijaliana mba hamongorana ny ratsy sy hamono ireo tsy araka an’Andriamanitra, hiainana ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy.

Mandray Azy sy mitoetra ao Aminy. Ny mpianatr’i Kristy, ny mpanara-dia Azy dia mila miara-dalana Aminy mandrakariva, mila mifandray tsy tapaka Aminy mba ho tody any amin’izay itondrany. Toetra fototra iainana ny maha kristianina ny mitoetra lalandava ao amin’Andriamanitra, handraisana ireo valisoa lehibe nampanantenainy sy hahafahana mizara izany koa amin’ny hafa mba hitaran’ny fanjakany eto amin’izao tontolo izao. Antso sy iraka amin’ny maha kristianina izany ka tsy tokony atao ambanin-javatra. Meteza àry, hisafidy an’i Kristy, haka tahaka Azy, mba hahatanteraka ny maha mpianany antsika.

Ry Jesoa mpampianatra ô, tonga teto amin’izao tontolo izao Ianao mba hanatanteraka sy hampiharihary aminay olombelona ny tena fitiavana, nanoro anay izay tokony hatao hahamendrika anay ho antsoina hoe: mpianatrao tokoa. Miantso anay Ianao mba hahaizanay mitondra ny anjara hazofijalianay ary haharetanay manara-dia Anao lalandava ary hampitoetra anay mandrakariva ao Aminao. Koa aza avela ho solafaka an-dalana izahay, fa tohano amin’ny herinao mba ho tafita soa aman-tsra any amin’ny voninahitrao mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...