24 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)

Tao aorian’ny fankaherezana ireo mpianatra mba hatoky ny fitondran’Andriamanitra sy ny fitiavany, “providence divine”, dia mampianatra azy ireo mba haharitra amin’ny fiambenana i Jesoa. Ahoana moa izany? Araka ny fampianaran’i Masindahy Lioka dia misy fandavorariana telo amin’ny asam-pamonjena. Ny voalohany dia mikasika ny lasa, ny faharavan’izao tontolo izao izay tanateraka teo amin’ny fahafatesan’i Kristy, ny faharoa dia mikasika ny ho avy fahataperan’izao tontolo izao ka handavorary ny fanjakan’Andriamanitra. Io dia santarin’ny tsirairay amin’ny fahafatesana hiala amin’ity fiainana ity fa misy kosa ny famonjena tanteraka anio “présent” dia ny fidiran’ny olona amin’ny fiainan’Andriamanitra rehefa manaiky hiaina araka ny Eokaristia araka ny aina hatolotr’Andriamanitra izy. Amin’ny fahatsiarovana ny fankalazana ny Pakan’i Jody no hampahatsiahivin’i Masindahy Lioka antsika ny fahavononana ilaina voalohany dia mba ho voasikina ny andilany, fomba fiankanjon’izay tsy hitoetra fa vonona ny hiainga, vonona ny hiasa, vonona hizotra amin’ny lalam-pahafahana ho amin’ny tany nampanatenaina, izay fahavononana hiasa izay tsy sanatria mba hahafahana mandova ny lanitra, tsy tambin’ny ezaka manko ny paradisa fa fanomezan’Andriamanitra maimaim-poana; fanomezana ho an’ny zanaka, lova homena maimaim-poana. Araka izany fianarana… ny hany zanaka mba hiarahana mandova miaraka Aminy no ataontsika (Asa 1, 1). Izy ilay Andriamanitra kanefa nietry tena ho mpanompo nisikim-ponitra haneho amin’ny olona rehetra ny fitiavan’Andriamanitra Ray.

Ny zavatra faharoa ilaina hananana dia ny jiro mirehitra entina hanilovana ny lalan-kizorana fa mba hoentina koa hanilovana ny hafa. Ary lazain’i Matio aza fa entina hanilovana ny endriky ny tena mba hahalalan’ny Ray antsika fa zanany ka tsy hifangaro amin’ny haizina sy ny zanaky ny haizina (Matio 25, 12). Tsy fahasambarana ny fahasambarana samirery, tsy afaka ho zaraina amin’ny havana ory. Izay tsy maniry ny hanazava ny hafa mba hiarahan-tsambatra aminy dia tsy ho tonga lafatra ny hafaliana satria tsy hafalian’ny zanaka manaha-dRay. Ny ahavonjy ny olona rehetra manko no sitrak’Izy Ray, tsy fiainana mandra-paha tsy akory, fiainan’izay te hiditra amin’ny fiainan’Andriamanitra fa fomba fiainana atomboka ka ho feno fatra rehefa tena hanaraka azy araka ny tena toetrany isika satria hahita azy mifanatri-tava (1 Jo 3, 2). Misy fomba fiteny hoe ny olona dia mitovy amin’izay andrasany ka noho ny fiavian’ny Tompo no andrasantsika dia mazava loatra fa hitombo fitiavana azy mandrakariva ny fontsika ka tsy havesatra ny hiandry ny fahatongavany na oviana na oviana. Izy no mandondona ao am-pontsika maniry mba hiditra ao tsy sanatria mba ho tompoina fa mba hanompo.

Averimberin’i Masindahy Lioka io satria endrik’ilay Andriamanitra inoany no halain’ny mpino hafa tahaka, tsy Andriamanitra tompoina sanatria ny Andriamanitsika fa Andriamanitra manompo, izany no mahatonga an’i Masindahy Lioka milaza ao aoriana kely fa na dia ho an’ilay zanaka mpandany aza tsy navelany handohalika akory eo anatrehany. Ary ilay zokiny tsy nety niditra, nivoahany tany alatrano asainy hiditra amin’ny fety. Mampanadinika ihany anefa indraindray ary mapatahotra ny fomba fanompoantsika an’Andriamanitra, fanompoana ny hafa toy ny nataony ihany no mifanaraka amin’ny sitrapony fa raha santria izany tsy manampy antsika hanompo ny hafa ny vavaka ataontsika dia mbola tsy mifanaraka amin’ny Evanjely izy izay.

Hanampy antsika hahazo ny hevitra sy ny hasarobidin’ny Evanjely anie ny Eokaristia, tsy asain’i Jesoa handohalika na hipetraka isika avy mandray azy fa asainy hihinana ka hahazo hery, handray ny teniny sy ny tenany ka hanao toy ny nataony ho fahatsiarovana azy ary haharitra handohalika eo antrehan’ireo endrika tiany hisehoana dia ny mpanota sy ny mahantra. Amin’ny fanompoana ny hafa toy izany, tahaka ny nataony no hanadramantsika ny tena hasambarana.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...