26 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)

Tonga hanipy afo ety an-tany aho ka akory ny faniriako mba hirehetan’izany sahady. Izany no hanombohan’i Jesoa hilazana ny iraka nahatongavany, ny mission, iraka amin’ny maha Kristy voahosotra azy, hanipy afo, mampahatsiaro antsika koa ny fiantsoana an’i Môizy izany afo mirehitra izany, afo mirehitra fa tsy mahalevona ny kirihitra (Eks 3, 3), afo manambara ny fisian’Andriamanitra eo anivontsika.

Ny fisiana izay tsy mahafoana ny maha isika antsika, ny hevitry ny kirihitr’ala tsy may fa mapiseho kosa ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny fitiavany mirehidrehitra hamonjy ny vahoakany. I Môizy manala ny kapany satria mandia tany masina dia sady manaisotra izay mety ho salovan’ny fahafatesana. Biby maty no hanaovana ny kapa, milaza ny fahatsiarovan-tenany ho malemy araka ny fitenin-drazantsika hoe mandia tany ka mety ho solafaka, tsy afaka miantehitra amin’ny heriny ka tsy maintsy hijanona eo anatrehan’ny afo mirehitra mba ho dioviny sy hohamasininy, ho tonga iraka araka ny fony. Afo mirehitra, afo manambara ny fitiavana izany, afo mivaivay handevona toy ny mololo ny mpiavonavona sy ny mpanao ratsy rehetra.

Hoy i Malakia mpaminany (3, 19). Efa mahazatra antsika ny mahita ny sarin’ny Fo Masin’i Jesoa mirehitra afo, mirehitra fitiavana tsy handringana fa hitady sy hanavotra ny mpanota mba hibebahan’izy ireo ka handovany ny fiainana, afo hanadiovana izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Ny maha lasa saina anefa dia ny nanohizan’i Jesoa ny filazany ny iraka nanirahana azy, tsy tonga hitondra fiadanana aho fa fisarahana aza, dia ahoana no ilazantsika isaky ny lamesa hoe “Ry Jesoa Kristy Tompo, ianao nilaza tamin’ny Apôstôlinao hoe fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no homeko anareo. Aza ny fahotanay no jerena fa ny finoan’ny Eglizinao ka ho sitrakao anie ny hampiadana azy sy hampiray azy araka ny sitraponao”.

Raha toa ka hitondra fisarahana i Jesoa, moa tsy izy ve no ilay mpanjakan’ny fiadanana izay hampiraotra ny zanak’ondry amin’ny zanaky ny liona (Iz 11, 6). Manome antsika fiadanana Andriamanitra fa tsy mamela antsika hidonanam-poana. Fiadanana tsy maintsy hisahiranana. Misy olona mihevitra tahaka ireo manam-boninahitry ny tafiky ny Sadoseanina voalazan’ny bokin’i Jeremia, fa Andriamanitra no hiady ho azy ireo hila faty, ampianarin’io mpaminany io isika hilaza ny marina ka tsy hampiasa ny anaran’Andriamanitra hanakonana ny avonavona sy ny eboebontsika, ny fiarovan’Andriamanitra izay voafidiny ka irahina dia ny fanomezany azy hery hijoro amin’ny marina hatramin’ny farany, io no afon’ny fanahy irin’i Jesoa hirehitra eto amin’izao tontolo izao mba hanavao ny endriky ny tany.

Ankoatra ny afo koa anefa dia manana Batemy hanaovana Batemy azy i Jesoa. Batemy mira rano izay andrasana am-pahoriana kanefa afo no tiana arehitra. Inona no hevitr’izany? Izay rehetra manara-dia an’i Kristy dia mila mandatsaka ao an-tsainy fa famantarana ho toherina izy (Lk 2, 34). Ny fitiavana no notorìny nefa fankahalana sy fanamelohana ho faty no nahazo azy. Tsy maintsy handalo amin’ny fahafatesana maha afa-baraka ilay làlana mitondra amin’ny vononahitra.

Ny fandraisana ny tenin’i Jesoa ka hanekena ho tarihan’ny fanahy dia mety hampisaraka ny mpianakavy ka hampisy fifanoherana na dia eo amin’ny zanaka sy ray aman-dreny aza. (Mikea 7, 6). Satria izay tsy momba an’i Jesoa dia manohitra azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...