Zoma 20 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38.
Ny fanambaràna tamin'ny alalan'ny Anjely ny fahaterahana sy ny iraka sahanin'i Jesoa, voalazan'ny Vaovao Mahafaly tamintsika teo, dia maneho ankarihary ny zava-baovao nataon'Andriamanitra tamintsika olombelona.

 Tsy ny Tempoly na amin'ny alalan'ny Mpisorona intsony no ahazoana ny famonjena fa amin'ny lalan'i Kristy, ilay tonga nofo tao ankibon'i Maria Virjiny, fomba nanaovan'Andriamanitra fanekena vaovao tamin'ny vahoakany.

 Io Jesoa io ilay taranak'i Davida, hanorina indray ny fanjakany sy hahazoan'ny olombelona rehetra ny famonjena.

Asongadin'i Masindahy Lioka amintsika tamin'ny Evanjely eto i Masina Maria. Virjiny, nanaiky ny hahatonga ho nofo ny Zanak'Andriamanitra tao ankibony noho ny asan'ny Fanahy Masina ary nanome sy naolotra an'izao tontolo izao ilay Mpamonjy. Mampianatra antsika mba hanokanantsika tanteraka ny tenantsika ho an'Andriamanitra sy hanekentsika ny sitrapony, fa izany indrindra no antoka ahasoantsika ny famonjena.

 amin'izo fotoana vitsy ihomanantsika hankalaza ny Noely izao, maneke toa an'i Masina Maria isika, hiasan'ny Fanahin'Andriamanitra mba handraisantsika ny Mpamonjy, hahatonga nofo Azy ao am-pontsika. Atolory azy koa ny hetahetam-po sy fanantenantsika mba hoentiny eo amin'ilay Mpamonjy an'izao tontolo izao. Fa tao aminy indrindra no tanteraka sy lavorary ny fanekem-pihavanana nataon'Andriamanitra tamintsika olombelona.

Ry Jesoa tonga nofo tao ankibon'i Masina Maria Virjiny, tolory tàna-mamonjy izahay mangetaheta ny fahatongavanao, hovao ny zavatra rehetra mba ho vonona sy ho mendrika ny handray Anao ao am-ponay ka hampizotra anay amin'ny fianam-baovao izay santatry ny famonjena ho anay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...