Sabotsy 14 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-3. 11-32 — Hitsangana aho ho any amin'ny raiko, ka hanao aminy hoe : Dada ô, nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho.

0 : 00

Antsointsika amin'ny fiteny mahazatra hoe "Ilay zaza mpandany" ity fanoharana mifono fampianarana ataon'i Kristy ity. Mampiseho ny toetran'Andriamanitra Ray manoloana ny fahalementsika olombelona. Noho ny fanakianana ataon'ny Farisianina sy ny Mpanora-dalana no hanomezan'i Kristy hafatra fa Izy Andriamanitra Ray dia manaja hatrany ny fahafahana sy izay heverintsika ho fahaleovantenantsika olombelona zanany, eny fa na dia tsinjony izao aza fa hahavoa antsika ny vokany. Avelany handeha ilay zandriny eto mba ho faty ao anatin'ny filibana. Nefa ao anatin'ny fanantenana mandrakariva izy fa indray andro any io mbola hahatsiaro tena ka hahatsapa ny fitiavan'ny rainy azy.

Izany ny fiainantsika olombelona manoloana ny fahatsoran'Andriamanitra. Mitsako tsy laitra koa kenda vao dony aho Ranaotra. Ny heloka hibabohana tokoa, mody rariny, fa ny rariny itompoana, zary heloka. Fahendren-drazana tarafina amin'ity fanoharana nentin'i Kristy ity izany, ary mbola tsy lefy laza fa azo ampiharina amin'ny fiainana andavan'andro eny. Koa mahaiza àry mamindra sao fatra-pifidy ny manganana, tahaka ity zandriny ity, ka ho sendra ny mangidy tsy telina. Tsarovy anefa fa ny famindram-pon'Andriamanitra sy ny fitiavany dia miandry ny mpanota mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...