6 desambra 2024 — Zoma, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo— Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 27-31)

Tamin’izany andro izany,
dia nisy jamba roa lahy nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana
sady niantso mafy nanao hoe:

“Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!”

Nony tonga tany an-trano Izy,
dia nanatona Azy ireto jamba,
ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mino ianareo fa mahay manao izany Aho?”

Hoy ireo taminy:

“Eny, Tompoko.”

Dia notendreny ny masony, ka hoy Izy:

“Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo.”

Dia nahiratra ny masony,
ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe:

“Tandremo sao ren’olona izao.”

Kanjo nony nandeha ireo,
dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...