7 desambra 2024 — Sabotsy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo— Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 35 — 10, 1 sy 6-8)

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly
sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny tompom-bary
mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”

Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary hoy Izy:

“Mankanesa any amin’ny ondry very
amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty,
diovy ny boka, roahy ny demony;
nahazo maimaim-poana ianareo,
koa manomeza maimaim-poana.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...