Sabotsy 21 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-45.
Misongadina indrindra teo amin'ny tantaram-pamonjena ity tantarain'i Masindahy Lioka amintsika ity dia ny famangian'i Masina Maria an'i Elizabeta.

0 : 00

Reny roa nahita sitraka teo imason'Andriamanitra rehefa nino sy natoky ary nanokatra ny fony hotsilovin'ny Fanahin'Andriamanitra. Tsy fihaonan'ny mpirahavavy fotsiny anefa io famangiana io fa fanambarana ankarihary ny fahatanterahan'ny fandaharan'Andriamanitra momba ny famonjena an'izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...