Zoma 25 septambra 2020 — Herinandro faha-25 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 18-22 — Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

0 : 00

Raha nanadina ny mpianany ny amin’ny fahafantaran’izy ireo Azy i Jesoa dia namaly i Piera ka nanao hoe : “I Kristian’Andriamanitra”. “Ilay voahosotr’Andriamanitra” raha adika. Nohosoran’Andriamanitra ho Mpamonjy an’izao tontolo izao. Efa ela tokoa no niandrasan’ny vahoaka jody ny Mesia na Ilay Mpamonjy. Tsapan’ireto mpianatr’i Jesoa fa Izy no mahafeno ny fepetra ho Ilay Mpamonjy nandrasana na ny Mesia, I Kristy, Ilay voahosotr’Andriamanitra. Ilay Irahin’Andriamanitra hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo sy torotoro fo. Io fiekem-pinoana nataon’i Piera io no manambara fa efa tafita ao amin’ireo mpianany ny fampianarany. Mbola ho tazomina ho tsiambaratelo anefa io fahafataran’ny mpianatra ny amin’i Jesoa io, dia Izy ilay Mesia hampijaliana sy hofatsihana amin’ny Hazofijaliana. Izy irery ihany no mahalala ny fomba hahafatesany. Tsy araka ny hieverana Azy ho Ilay Mesia hanafaka amin’ny ziogan’ny Rômana mpanjanan-tany tamin’izany andro izany ka hitondra fahafahana mampitolagaga ho an’ny vahoakan’Israely, fa Ilay tonga hanafaka ny olona amin’ny fanadevozan’ny fahotana sy ny gejan’ny fahafatesana. Noho izany tsy mbola ampy ny fahafantarana Azy ho tena Ilay Kristy Mpamojy an’izao tontolo izao raha tsy efa mitsangan-ko velona Izy. Koa aorian’ny fitsanganany ho velona vao tena feno sy lavorary ny finoana Azy.

Fototry ny finoantsika àry, ny nitsanganan’i Jesoa ho velona. Io no aina mamelona ny maha kristianina antsika, ary hery entintsika miasa koa eo amin’ny fiainantsika isan’andro. Lalana itarihany antsika ity lalana nizorany ity satria tsy tonga lafatra ny fiainana maha kristianina antsika raha tahiny tsy mijaly ho fitiavana ny hafa isika. Mampiseho izany fijaliana izany ny andraikitra sahanina ao amin’ny Fiangonana. Tsy mendrika ho tena mpianatr’i Jesoa isika raha tsy miara-milanja ny Hazofijaliana miaraka Aminy. Mahasambatra ny manao ny asam-piangonana rehefa atao amin-kitsipo sy am-pitiavana, kanefa ny tena fitiavana dia tsy afa-misaraka amin’io Hazofijaliana io. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...