Alatsinainy 02 nôvambra 2020 — Fahatsiarovana ireo mpino nodimandry — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6 — Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao.

0 : 00

Mahatsiaro ireo mpino nodimandry ny Eglizy anio. Anjarantsika sy adidintsika mpino mbola velona tokoa mantsy ny mivavaka ho an’ny fanahin’izy ireo.
Eto amin’ity Evanjely ity àry dia hafatra fanaovam-beloma no natao’i Kristy tamin’ireo mpianany izay nahatonga an’i Tomà hanadihady tsara an’izany : "Tsy fantatray izay alehanao Tompoko ? Koa ahoana no hahafantaranay ny lalana ?" Tsy namaly mivantana i Kristy fa nanambara ny Tenany : "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana". Tsy azon’ireo mpianatra anefa izany fanambarana izany, eny na dia isika kristianina ihany koa aza. Isika matetika dia tsy miaina ny fahamarinana amin’ny lalana mankany amin’ny tena fiainana. Ny fanoloran-tena sy ny fahafatesan’i Jesoa teo ambonin’ny Hazofijaliana no mamaritra ny lalana marina mankany amin’ny tena fiainana mba hahazoantsika ilay toerana efa nomanina ho antsika.

Ny finoana an’i Jesoa àry dia mino ihany koa ny nahafatesany sy ny nitsanganany ho velona. Mino fa mbola misy fiainana ao aorian’izao fiainana izao. Mino fa miandry sy mandray antsika any amin’ilay tena fiainana. Aoka àry tsy hampitebiteby na hampatahoatra antsika ny fahafatesana, fa tokony hifanohitra amin’izany àry satria efa Izy Andriamanaitra mihitsy no efa miandry antsika. Diavo dieny izao ary ny lalana makany any amin’ny fiainana mandrakizay, dia i Kristy izany. Izy no nampianatra antsika hifankatia ary izay ihany no lalana.
Enga anie mba handry am-piadanana noho ny famindram-pon’Andriamanitra ny fanahin’ireo kristianina efa maty. Amen

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...