Alahady 06 desambra 2020 — Alahady faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 1-8 — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany ; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

0 : 00

Ry kristianina havana, izao ny teny nataon’i Jesoa tamin’ny mpianany rehefa hiverina any amin’ny Ray Izy : "handeha aho hanomana toerana ho anareo, koa rehefa voavoatra ny toerana ho anareo dia ho avy indray aho haka anareo". Ary rehefa notenenin’i Tomà izy hoe tsy fantatray ny làlana dia namaly izy hoe : “Izaho ny làlana sy fahamarinana ary fiainana". Rentsika matetika io rehefa misy olona mandao ity fiainana ity. Ny tiana hambara eto dia hoe i Kristy no manomana ny fandraisana antsika rehefa miala eto isika, ary Izy no làlana makany. Izany hoe rehefa hiakatra ho any isika dia Izy no manomana toerana.

Fa, eto amin’ity Evanjely ity, dia ny mifanohitra amin’izay, satria Izy Kristy mihitsy no te hiara-monina amintsika, te hidina ao anatintsika, dia anjarantsika kosa ny manomana toerana ho Azy ao anatin’ny fontsika ary anjarantsika ny manamboatra ny làlana tokony halehany. Izany no atao hoe fahaizana mandray olona. Koa ho an’i Masindahy Joany Batista àry, eto amin’ity Evanjely ity, dia amin’ny alalan’ny fandraisana ny batemim-pibebahana no endrika fanamboarana ny toeran’Andriamanitra ao anatintsika. Tsy mifanalavitra amin’izany ihany koa ny tokony ho toetrantsika kristianina ankehitriny : amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fivalozana amin’ny ranomaso, araka ny voalazan’i Masindahy Ambroise no toetra mendrika handraisana an’i Jesoa. Koa amboary ny lalan’ny Tompo àry, ary ahitsio ny alehany. Mikitikitika fahatongavan-tsaina sy fahatsapan-tena avy amintsika izany. Tena antso avo io : miantso antsika haka fanapahan-kevitra hiova fomba fiaina sy hiverina amin’ny lalana nahadiso. Izany mantsy no atao hoe fibebahana. Enga anie tsy ho lalana feno kilavadavaka mahasorena, mampiteny ny moana... ny fontsika manomana toerana sy mandray ny Mpamonjy.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...