Sabotsy 30 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao ; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 35-41

Ao anatin’ny rivotra misafotofoto sy rano manonja kanefa mbola mahita tory ihany i Jesoa, toy ny zaza voarotsirotsy ka tsy mahatsiaro. Ao anatin’izany anefa ny mpianany no miantso vonjy Aminy : “Ry Mpampianatra ô, tsy mamapaninona Anao va raha maty izahay ?” Toa mihevitra fa tsy miraharaha azy ireo Izy, izay iray sambokely aminy. Manome tsiny Azy ho mamela azy ireo hanjakan’ny ratsy. Afaka mampita fampianarana amin’ireo mpianany ireo àry i Jesoa eto ka niteny mafy ny rivotra sy ny ranomasina mba hitony sy hangina. Toa mampangina ny ratsy sy i Satana, satria ny ranomasina dia famantarana ny ratsy. Tsy tian’i Jesoa hanjakan’ny ratsy ny mpianany. Fampianarana lehibe no ampitainy eto mba hanana fahatokisana Azy, ary indrindra moa ny mba hananana ny finoana, izay herim-panahy ho entina miatriaka ny zava-misy eo amin’ny fiainana isan’andro.

Tsy ho an’ireo Apôstôly tamin’izany andro izany ihany no ampitany izao fampianarana izao fa ho antsika miaina ankehitriny koa ; maro ny zavatra mampisafotofoto ny fianana raha tsy hilaza afatsy ny aretina, ny fahasarotam-piaianana, ny tsy fahombiazana, ka mampihevitra fa tsy mihaino vavaka Andriamanitra, toa tsy miraharaha eo anatrehan’ireo fahoriana mianjady amintsika olombelona ireo. Henontsika tamin’ny Evanjely fa nifoha i Jesoa nampitsahatra ny fifofon’ny rivotra sy nampitony ny ranomasina ; miara-dalana amintsika lalandava i Jesoa na eo amin’ny hafaliana na eo amin’ny fahoriana. Miaraka amintsika Izy ao anatin’ny Fiangonana. Izy no mitondra ny sambo manoha rivotra sy mitety ny onjan-dranomasina izay tandindon’ny Fiangonana. Tsy ilay Jesoa tao amin’ny torimasom-pahafatesana fa i Jesoa efa nitsangan-ko velona ; ilay Jesoa milaza hoe : “Matokia fa efa nandresy an’izao tontolo izaho Aho”.

Angatahany àry, ny hananantsika ny finoana. Io finoana io no ahafahantsika miatrika ny sarotra miseho eo amin’ny fiainantsika. Nahazo fanakianana avy Aminy ireo mpianatra niaraka sambokely taminy noho ny tsy fananan’izy ireo finoana. Mampalahelo tokoa no mahita ireo olona very finoana ka nandao ny Fiangonana, mihevitra fa rehefa tsy tanteraka ny angatahiny amin’Andriamanitra, ny vokatry ny dokam-barotra any an-kafà any ; dia hadino ny tenin’i Jesoa manao hoe : “Izay maharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy”. Koa angatahantsika àry ny hananantsika ny finoana lalina ampy, hahavonjy antsika. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...