Alatsinainy 15 febroary 2021 — Herinandro fahenina mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 11-13

Misy tenin'i Jesoa izay manoloana ny mpianany hoe : "Izay tsy momba Ahy, manohitra Ahy". Etsy andanin'izany koa, ilay fomba fiteny malagasy hoe : "ny teny manaitra fa ny atao mahasarika". Manoloana ny fahasoavana marobe nataon'i Jesoa, indrindra fa ireo fahagagana samihafa, dia nangataka famantarana avy any an-danitra taminy ireo farisianina. Izay angaha ilay atao hoe fialonana ? Iza anefa no tsy mahalala fa fahefana feno avy amin'Andriamanitra ao amin'i Jesoa no nanatanterahany irey ? I Jesoa rahateo no efa nitny hoe : "efa nomena Ahy ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany".

Mipaka amintsika Fiangonana ny hafatra tian'ny Vaovao Mahafaly ampitaina, ankehitriny. Aoka anie isika tsy haka tahaka ny toetran'ny farisianaina hoe efa mahalala fa mody tsy mahalala, ary mila vaniny fotsiny tsotra izao etsy sy eroa. Halaviro ny fisalasalana na dia kely akory aza fa ny finoana no ataovy latsa-paka. Tsy hiadian-kevitra ny fahagagana nataon'i Jesoa, na ilana famantarana fa mariky ny fitiavan'Andriamanitra daholo ireny, satria mahalala izay mahasoa antsika Izy, ary ny fomba fihevitr'Izy Andriamanitra tsy mitovy amin'ny fihevitsika.

Jesoa ô, betsaka ny fomba fijerinay no tsy mitovy amin'ny fijerinao. Izany anefa no mahatonga anay hitsaratsara fahatany. Ampitomboy àry, ny finoanay mba hiainanay ny maha kristianina anay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...