Talata 16 febroary 2021 — Herinandro fahenina mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 14-21

Fampitandremana mazava no ataon'i Jesoa ireo mpianany, mba tsy ho azon'ny lalivain'ny Farisianina sy ny lalivain'i Herôda. Lalivay : akora fampiasa mba hampitombo na hampibohoka ny lafarinina hanaovana ny mofo. Raha tsoahina avy amin'izay ny lalivain'ny Farisianina sy ny lalivain'i Herôda dia tsy inona akory fa ny fitiavam-boninahitra, ny fitiavan-tena, ny fihatsaram-belatsihy... Matoa i Jesoa mampitandrina mafy dia mora voajono amin'ireny ny olombelona, ary mirona amin'izany.

Ry havana, amin'izao vaninandro iainantsika izao koa, dia maro ny olona no mety ho azon'ireny lalivay ireny. Izany toetra izany anefa, no manakona ny tena maha isika antsika. Matetika ny avonavona no mirentirenty, fa ny fanetren-tena any ambany faladia. Ataoko fa miantefa amintsika koa ny fampitandremana nataon'i Jesoa, ankehitriny. Tian'Andriamanitra isika matoa hanariny, fa ny zanaka tiana, hono, tsy hitsitsiana rotsa-kazo ary ny hendry ihany no hanarina ; tsy te hanan-dratsy Andriamanitra.

Jesoa ô, ampio izahay hiaina marina amin'ny toetra maha kristianina : amim-pitiavana sy amim-pahatsorana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...