Alatsinainy 15 marsa 2021 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 43-54

Rehefa avy nanova ny rano ho divay tao Kana i Jesoa, izay fahagagana voalohany nataony, dia nankany Kafarnaoma indray Izy. Nanasitrana ny zanaka lahin’ny manamboninahitra iray. Midika izany fa tsy resaka ara-materialy ihany no fahagagana nataony fa mahakasika ny ain’olombelona ihany koa.

Ny nampiavaka ny fanasitranana izay nataon’i Jesoa ato mantsy dia tsy teo anoloany ilay marary fa lavitra azy, tany an-trano. Tsy voafaritry ny toerana araka izany ny fahagagana izay nataony satria tsy tonga tany amin’ilay marary akory izy, dia efa sitrana ity farany. Niteny mantsy i Jesoa tamin’ilay manamboninahitra hoe : "modia fa velona ny zanakao" (Jo 4, 50). Lehibe tokoa ny finoana an’i Jesoa eto satria tsy nahita akory hoe velona ilay zaza tamin’ny ora nitenenany dia nino tanteraka izy ireo. Tsy nisy tsy hain’Andriamanitra atao tokoa rehefa matoky Azy isika. Aoka ary tsy ankinintsika amin’ny famantarana ny finoana Azy fa amin’ny fitiavana feno fahatokisana.

Azo ambara àry araka izany fa i Jesoa dia eo amin’izay mino Azy mandrakariva. Tsy voafaritry ny toerana ny fiasany ao anatintsika ao. Minoa ary fa Izy dia miaro sy mitsimbina antsika foana mandritra ny andro rehetra hiainantsika.

Misokatra ho an’ny olona rehetra tokoa ny finoana an’i Jesoa satria ny olombelona rehetra mihitsy no tiany ho voavonjy. Nanao fahagagana ho an’izay mino azy Izy. Ny finoana mantsy dia fananantsika faniriana hahita an’Andriamanitra, hihaona Aminy sy hiaraka Aminy ary hahita fahasambarana ao Aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...