Alatsinainy 29 marsa 2021 — Alatsinainy masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11

Ry kristianina havana ! Efa ankatoky ny Paka, hankalazana ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona tokoa isika, izay fototry ny finoantsika. Efa antomotra ny dian’i Jesoa manatona an’i Jerosalema izay toerana hanatanterahany ny famonjena antsika. Araka ny Vaovao Mahafaly norenesintsika teo àry, dia niverina tany Betania tany amin’i Maria sy i Marta ary i Lazara izay natsangany ho velona i Jesoa. Voalaza teo fa maro koa ny olona tonga tao, tsy hoe noho i Jesoa ihany, izay efa nahaliana sy nahasarika ary nampitombo finoana ny fampianarana sy ny fahagagana nataony, fa eo koa ny hijery sy hanaporofo hoe nanao ahoana i Lazara izay natsangany ho velona ; mbola velona ao ve ? Tsy sanatria mantsy rey olona, fanova-maso na toy ireny fananganana fanano na matoatoa ireny no ataon’i Jesoa, ka indray mihelina sy mamitaka maso ihany dia tsy hita, fa izay miankina sy mino azy dia velona mandrakizay ; ka aoka isika tsy hisalasala ny amin’izany. I Lazara aza anie teto mbola niharan’ny fialonana indray ka nokasaina ho vonoina e ! Izay mantsy isika olombelona.

Lafiny faharoa dia fitaratra lehibe ho antsika ny fanehoam-pitiavana an’i Jesoa izay nasehon’i Maria eto amin’ny fihetsika nasehony sy nanehoany fanajana an’i Jesoa. Tsy tamin’io fitsidihan’i Jesoa farany io ihany i Maria no naneho izany fihetsika izany, fa isaky ny tonga i Jesoa dia maneho ny fahavononana mandrakariva izy handray ary hanome lanja eo amin’ny fiainana ilay Teny Velona irak’Andriamanitra, ka efa nilazan’i Jesoa fa izy no nifidy ny anjara tsara indrindra. Ny fitiavana dia mitarika antsika hanetry tena, fa jereo i Maria, ny volon-dohany no namafany ny tongotry ny Tompo ; mitarika antsika ihany koa hahafoy ary hizara toy ny fihetsik’i Maria teo ihany.

Lafiny fahatelo dia aoka isika tsy ho voan’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola tafahoatra tahaka an’i Jodasy, ka nalahelo tamin’ny diloilo nahosotr’i Maria ny tongotr’i Jesoa. Tsy tena fitiavana ny mahantra ny an’i Jodasy fa fihatsarambelatsihy noho ny fitiavan-tena. Mbola maro amintsika no voan’izany ary aretina mikiky antsika io : efa fanomezana hitsinjovana ny mahantra izao aza, na vola io na zavatra, dia mbola ahitaha hirika hanodinana azy ihany. Diso tia tena loatra isika, koa amin’izao herinandro masina izao dia mangataha amin’Andriamanitra mba ho lefy ao am-pontsika ny herin’ny ratsy izay fototry ny fahotantsika rehetra.

Ry Jesoa Tomponay ô ! Fongory ao am-ponay ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola, izay mitondra anay any amin’ny fahaverezana. Ampio izahay ho tia marina, ary hiombona mandrakariva Aminao, hikatsahanay ny harena mandrakizay ao Aminao ! Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...