Alarobia 21 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40

Asehon’ny Evanjely anio fa miahy antsika Andriamanitra : mamaly ny hanoanana sy ny hetahetantsika Izy, fa tsy Andriamanitra tia antsika mijalijaly akory na sanatria koa Andriamanitra tsy miraharaha ny fiainantsika andavanandro akory, toa Andriamanitra lavitra antsika tanteraka. Matetika ihany koa isika no tsy mino velively ny fiahiany antsika olombelona izay nohariny.

Fa hanoanana sy hetaheta inona moa no valian’Andriamanitra araka ny voalazan’y Evanjely anio ? Ny hetaheta sy hanoanana ny fiainana mandrakizay, ka ao amin’i Jesoa Kristy Tompo irery ihany no ahitantsika an’izany vahaolana rehetra izany : "Ary izao ny sitrapon’Ilay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny mba hananganako azy amin’ny farandro. Satria izao no sitrapon’ny Raiko izay naniraka Ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro" (Jo 6, 39-40). Asain’i Jesoa Kristy isika, noho izany, mba hanatona Azy ao amin’ny Eokaristia Masina.

Fa manentana antsika hanamafy ny finoantsika ihany koa ny Evanjely anio satria, mila mahalala sy mahay mandray an’i Kristy amin’ny finoana isika raha te hahazo an’ilay fiainana mandrakizay isika sy te hitsangan-ko velona amin’ny farandro. Mampifandray antsika marina amin’i Jesoa Kristy mantsy io finoana io, koa ndeha hohamafisintsika amin’alalan’ny fitiavam-bavaka, fanatonana ireo sakramenta (fampihavanana sy ny eokaristia) ary ny fahazotoana mihaino ny Tenin’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...