Alatsinainy 4 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 25-37

Tena mpijoko voajoko ity mpampiana-dalàna iray raha nitsangana hamandrika fanontaniana an’i Jesoa hoe : "Tompo ô ! Inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay ?". Tena sendra ny nahay azy izy satria fanontaniana nivaly fanontaniana. Izany angaha ilay hoe manatsafa ohatra ny mpaka afo.

Azo lazaina fa efa mby ao antsain’ilay mpampiana-dalàna ny valin’ny fanontaniana napetrany fa tsy misy afa-tsy ny fitiavana no lalan-tokana izorana mankany amin'ny fiainana mandrakizay. Lalan-tokana misampana roa ; izany hoe mivoitra iray fa mifameno mandrakariva dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana.

  • Ny fitiavana an’Andriamanitra dia ny fanantaterahana ny sitrapony, ny fitandrovana ny didiny mba hisantarana sahady ny fahasambarana miaraka Aminy.
  • Ny fitiavana ny namana dia ny hahatonga antsika tsirairay hitarika ny hafa hanatona an’i Jesoa, ary hahatonga Azy ho iray tampo amintsika.

Ry havana, hiaino sy hivelomy ary hampiharo eo amin’ny fiainana andavanandro ny didy nomen’Andriamanitra mba ho tena lalana hitondra mankany amin'ny fahasambarana mandrakizay.

Tsy hadinointsika ihany koa fa miombona amin'ny Fiangonana manontolo isika androany mahatsiaro manokana an’i Masindahy François avy any Assise. Azo lazaina fa ny fiainany dia efa Evanjely velona, satria niaina tanteraka ny fahantrana tahaka an’i Kristy ; izany hoe na dia teo aza ny vola aman-karena nolovainy tamin'ny rainy dia nafoiny tanteraka izany fa nifidy ny fiainana ambany sy mahantra tahaka an’i Kristy izy, mba handavorariany ny Evanjely. Midika fa ny fanahy no ambony noho ny nofo satria ny fanahy no mahaolona.

Ankoatra izay dia ny hafaliana sy ny fiadanam-po ao anatin’ny fivalozana omban’ny fitiavana ny olombelona sy ny zavaboary no tarigetram-piainana nimasoan’i Masindahy François. Lesona nampitainy tamin'ireo rahalahiny sy anabaviny izany, ary mipaka amintsika ankehitriny koa. Raka akapoka amin'ny teny tokana dia hoe fiainana faran’izay tsotra no anisan’ny nahatonga an’i Masindahy François ho olomasina. Tsotra nefa tsara satria sitraky ny fon’Andriamanitra.

Jesoa ô, ireo olon-tsotra tsy misy fitaka no zanaka handova ny lanitra. Koa enga anie ry Jesoa, ny zavatry ny lanitra no himatimatesanay sy ho katsahinay fa tsy ny rendrarendra mandalo. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...