Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Ekl 44, 1. 9-13)

Maharitra tsy mivadika amin’ny fanekena ny taranany, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny.

Ataovintsika izao ny fiderana ny olo-malaza, sy ny razan’ny karazantsika.
Ny sasany kosa tsy misy ahatsiarovana azy intsony;
fa levona toy ny tsy nisy akory;
nanjary toy ny tsy teraka akory,
ary toy izany koa ny zanany nanaraka azy.
Ireo voalohany dia olona tia vavaka,
ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny.
Raikitra ho anjaran’ny taranany ny hasambarana
ary misy lova azo antoka ho an’ny zanany.
Maharitra tsy mivadika amin’ny fanekena ny taranany;
mbamin’ny zanany koa noho ny amin’izy ireo.
Maharitra mandrakizay ny taranany
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b.

Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.

Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany,
ravahany fandresena ny ory!

Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am-bava, fankalazana an’Andriamanitra;
ho voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianareo,
raha mitana ny tenin’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 11-26)

Ny Tranoko dia trano fivavahana ho an’ny firenena.

Tamin’izany andro izany,
dia niditra tao Jerosalema i Jesoa ary namantana tao an-Tempoly,
ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra
dia nankany Betania nomban’ny roa ambin’ny folo lahy,
fa efa hariva rahateo ny andro.
Nony ampitso, raha niala tany Betania Izy, dia noana,
ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina Izy,
dia nankao hizaha raha sendra misy voany;
fa nony mby teo Izy,
dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina,
satria tsy taom-pamoazan’ny aviavy tamin’izay.
Dia hoy Izy tamin’ny aviavy:

“Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay.”

Ary ren’ny mpianany izany.

Dia tonga tany Jerosalema izy ireo,
ka nony niditra tao amin’ny Tempoly i Jesoa,
dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao,
ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola
sy ny fipetrahan’ny mpivaro-boromailala,
ary tsy navelany hisy olona mitondra entana hamaky ny Tempoly,
sady nampianatra Izy nanao hoe:

“Moa tsy voasoratra hoe:
Ny Tranoko dia hatao trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra?
fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy.”

Nony nahare izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna
dia nitady izay hahafaty Azy;
saingy natahotra Azy izy ireo
satria nigagan’ny vahoaka rehetra ny fampianarany.
Nony hariva ny andro dia niala tao an-tanàna Izy.

Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo
dia hitan’ny mpianany fa maina hatramin’ny fakany ilay aviavy.
Dia nahatsiahy i Piera ka nanao taminy hoe:

“Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao.”

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Manàna finoana an’Andriamanitra.
Fa lazaiko marina aminareo fa na zovy na zovy
hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe:
Mialà ianao eo, ka mianjerà any an-dranomasina
raha mino tsy amim-pisalasalana ao am-pony izy,
fa ho tanteraka tokoa izay lazainy,
dia ho hitany ny fahatanterahan’izany.
Koa amin’izany lazaiko aminareo,
fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana,
minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa izany.
Ary raha mitsangana hivavaka ianareo
ka sendra manana alahelo amin’olona, dia mamelà azy,
mba hamelan’ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa.
Fa raha tsy mamela ianareo,
dia tsy havelan’ny Rainareo any an-danitra koa ny helokareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...