Vakiteny voalohany

Bokin’i Tôbia (Tôb. 6, 10-11a ; 7, 1. 9-17 ; 8, 4-10)

Ny Tompo naniraka anareo ho atý amiko mba hanambadian’ny zanako vavy anao.

Tamin’izany andro izany, dia hoy i Tôbia tamin’ny anjely:

“Aiza no tianao hialantsika sasatra?”

Ary hoy ny anjely namaly azy:

“Eto misy lehilahy anankiray atao hoe Ragoela,
iray foko amam-pianakaviana aminao,
manan-janakavavy anankiray atao hoe Sarà izy.”

Dia niditra tao amin-dRagoela izy ireo,
ka noraisiny tamin-kafaliana.
Nony avy niresaka teo izy ireo,
nampamono ondralahy iray i Ragoela
sy nampanamboatra sakafo lehibe
dia nanainga azy ireo hipetraka hisakafo.
Fa hoy i Tôbia:

“Tsy hihinana na hisotro eto aho anio,
raha tsy ekenao aloha ny fangatahako,
ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko i Sarà zanakavavinao.”

Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany,
satria fantany ny nanjò azy fito lahy vadin’io, izay nanatona azy,
ka raiki-panahiana sahady izy,
fandrao dia hidiran-doza toy izany koa ity.
Mbola tao anatin’izany fisalasalana izany izy,
ka mbola tsy namaly ny fangatahan’i Tôbia,
no hoy ity anjely taminy:

“Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy
ho vadin’ity tovolahy ity,
fa tsy maintsy ho anjara vadin’io matahotra an’Andriamanitra io izy,
ka izany no tsy nahazoan’ny hafa rehetra nanana azy.”

Dia hoy i Ragoela tamin’izay:

“Tsy misalasala aho,
fa efa noraisin’Andriamanitra teo anatrehany ny vavaka aman-dranomasoko;
ary mino aho fa Izy no naniraka anareo ho atý amiko,
mba hanambadian’ny zanako vavy ny havany araka ny lalàn’i Môizy.
Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy.”

Dia nalainy ny tanana havanan’ny zanany vavy
nataony teo amin’ny tanana havanan’i Tôbia ka hoy izy:

“Homba anareo anie ny Andriamanitr’i Abrahama,
ny Andriamanitr’i Isaaka, ary ny Andriamanitr’i Jakôba,
hanakambana anareo anie Izy,
ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo.”

Rahefa izany, naka taratasy izy,
dia nosoratany ny fanambadian’izy ireo.
Vita izany, vao nandroso nanao fihinanam-be
tamim-pisaorana an’Andriamanitra izy ireo.

Avy eo i Tôbia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe:

“Mitsangàna, ry Sarà,
aoka hivavaka amin’Andriamanitra isika anio
sy ampitso ary rahafakampitso;
Andriamanitra no hiraisantsika mandritra ireo andro telo ireo;
rahefa afaka ny alina fahatelo
dia ho velona ao amin’ny fanambadiantsika isika.
Fa zanaky ny olo-masina,
ka tsy mahazo miray araka ny fanaon’ireo firenena
tsy mahalala an’Andriamanitra.”

Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po
mba hanomezany azy ny fahasalamana.
Hoy i Tôbia:

“Ry Tompo Andriamanitry ny razanay,
hisaotra Anao anie ny tany aman-danitra,
ny ranomasina, ny loharano sy ny ony,
mbamin’ny zava-boaary rehetra ao aminy.
Ianao no nanao an’i Adama, tamin’ny fota-tany,
sy nanome an’i Eva ho vadiny.
Ary ankehitriny, ry Tompo,
fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filàn’ny nofoko
no angalako an’ity zanakavavin’i Israely ity ho vadiko,
fa noho ny faniriako te-hamela taranaka
izay hidera ny Anaranao amin’ny taona rehetra ihany.”

Ary hoy i Sarà:

“Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindrà fo aminay,
enga anie ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 127, 1-2. 3. 4-5

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo!

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny Lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao;
ka sambatra sy tretrika!

Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao!
Ny zanakao: solofon’oliva
manodidina ny latabatrao!

Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra iainanao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy;
ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

Izany no didy voalohany, ary ny faharoa mitovy aminy koa.

Tamin’izany andro izany,
nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an’i Jesoa
sy nanontany Azy hoe:

“Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?”

Ary i Jesoa namaly azy hoe:

“Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity:
Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana;
koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy amin’ny fanahinao rehetra,
sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra.
Izany no didy voalohany.
Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa:
Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.”

Dia hoy ilay mpampiana-dalàna taminy:

“Tsara izany, ry Mpampianatra,
marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra,
ary tsy misy hafa afa-tsy Izy,
ka ny tia Azy amin’ny fo rehetra sy amin’ny fanahy rehetra,
ary amin’ny hery rehetra ary ny tia namana tahaka ny tena,
dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra
sy ny fanatitra hafa rehetra.”

Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy,
dia hoy Izy taminy:

“Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.”

Ary hatramin’izay,
dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...