Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 6, 1-10)

Aoka isika hitondra tena toy ny mpandraharahan’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
noho izahay mpiara-miasa amin’Andriamanitra,
dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana
ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo; fa hoy Izy:

“Tamin’ny fotoana tsara, nihaino anao Aho,
ary tamin’ny androm-pamonjena namonjy anao Aho”;

indro, ankehitriny ny fotoana tsara;
indro, ankehitriny ny androm-pamonjena
sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay,
mba tsy ho azo tsinìna ny fandraharahanay,
fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay
araka ny mety amin’ny mpandraharahan’Andriamanitra:
dia faharetana lehibe amin’ny fahoriana,
amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana, amin’ny kapoka,
amin’ny tranomaizina, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana,
amin’ny fiaretan-tory, amin’ny fifadian-kanina;
ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy,
ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, tory teny marina,
ny herin’Andriamanitra, ny fiadian’ny fahamarinana,
na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia;
na omem-boninahitra na alam-baràka,
na ratsy laza na tsara laza;
honoina ho mpamitaka, nefa mpilaza ny marina;
ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara;
sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona;
ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory;
ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva;
ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro;
ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4

Nanambara ny famonjeny ny Tompo.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina.

Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany!

Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’Andriamanitray!
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo!
Mientàna, mihobia sy miantsà!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho,
mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)

Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo fa voalaza hoe:
Maso efai-maso, nify efai-nify.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory;
fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana,
dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao,
dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana,
miaraha aminy roa arivo.
Omeo izay mangataka aminao,
ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...