Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 12, 13. 16-19)

Omenao andro hibebahany izy.

Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao ihany,
izay mitandrina ny zavatra rehetra,
mba hahenoana fa tsy manao fitsarà-mitanila Ianao.
Fa ny fahefanao dia fanorenan’ny fahamarinana:
ary noho Ianao Tompon’ny olona rehetra,
no itondrànao azy rehetra amim-pamindram-po.
Izay tsy mino ny fahefanao tsitoha no anehoanao ny herinao;
ary izay mahalala an’izany dia ataonao mangaihay amin’ny hasahiany.
Fehezin’ny sitra-ponao ny herinao,
ka mitsara amin-kamoram-po Ianao,
ary mitondra anay amim-pamindram-po lehibe;
satria eo aminao ny fahefana rehefa tianao.
Ny nanaovanao izany no nampianaranao ny vahoakanao,
fa tokony ho antra olona ny marina;
sy nampidiranao fanantenana mahafaly amin’ny zanakao,
fa raha manota izy, omenao andro hibebahany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 85, 5-6. 9-10. 15-16a

Tsara fo Ianao, ry Tompo, ka mamela heloka.

Tsara sy mpamela heloka Ianao, ry Tompo,
ho fitiavana an’izay miantso Anao!
Mampandria sofina amin’ny fivàvako,
ho tandrinao ny feoko mitaraina.

Ny firenena rehetra dia voaarinao:
hiankohoka eo anoloanao izy, ry Tompo.
Eny, hanome voninahitra Anao,
fa lehibe sy mahefa zava-mahagaga Ianao;

Ianao manko no Andriamanitra,
Ianao irery dia Ianao irery!
Ianao, ry Tompo Andriamanitra,
mpamindra fo sy mpiantra,
tsy mba malady vinitra Ianao,
be fitiavana sy fahamarinana.
Mba todiho maso aho,
ka iantrao, ry Tompo.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-27)

Ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay lazaina.

Ry kristianina havana,
ny Fanahy no manohana ny fahalementsika,
satria na izay mety angatahintsika aza tsy fantatsika,
fa ny Tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka
amin’ny fitarainana tsy hay lazaina;
ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irìn’ny Fanahy,
sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olomasina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-43)

Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy
izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary ka niteraka,
dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:

‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’

Fa hoy ny navaliny hoe:

‘Ny fahavaloko no nanao izany’.

Ka hoy ireo mpanompony taminy:

’Tianao va ny handehananay hiava azy?’

Hoy izy:

‘Tsia, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana,
dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy,
dia fehezo amboarany mba hodorana,
ary angony ho any an-tsopitro ny vary’”.

Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voan-tsinapy
izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.
Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy,
fa rehefa nitombo kosa,
dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo;
dia avy ny voro-manidina mipetraka ao amin’ny rantsany”.

Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay,
izay nalain’ny vehivavy anankiray
ka nataony tao amin’ny koban-dafarìna intelon’ny famarana
mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra”.

Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka,
ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,
mba ho tanteraka ny tenin’ny Mpaminany manao hoe:

“Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho,
ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao”.

Tamin’izay, nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia mba nody,
ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy”.

Ary namaly Izy ka nilaza taminy hoe:

“Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona;
ny tanimbary dia izao tontolo izao;
ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana;
ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;
ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly;
ny taom-pijinjana dia ny fahataperan’izao tontolo izao;
ary ny mpijinja dia ny Anjely.
Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo,
no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona,
ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra
hiala amin’ny Fanjakany,
ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikotroha-nify.
Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro
any amin’ny Fanjakan’ny Rainy.
Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)

Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy
izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary ka niteraka,
dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:

‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’

Fa hoy ny navaliny hoe:

‘Ny fahavaloko no nanao izany’.

Ka hoy ireo mpanompony taminy:

’Tianao va ny handehananay hiava azy?’

Hoy izy:

‘Tsia, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana,
dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy,
dia fehezo amboarany mba hodorana,
ary angony ho any an-tsopitro ny vary’”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...