Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 15-20)

Tamin’ny alalany sy tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra.

I Kristy Jesoa no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita;
Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao;
tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etý an-tany,
dia ny hita sy ny tsy hita,
na fiandrianana,
na fiamboniana,
na fifehezana,
na fahefana;
taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra.
Izy no talohan’ny zavatra rehetra,
ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.
Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy;
Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty,
mba ho Loha amin’ny zavatra rehetra Izy;
satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra;
ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray,
rahefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana,
dia tamin’ny tenany, na ny etý an-tany na ny any an-danitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Tongava eo anoloan’ny Tompo amin-karavoana.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo
ka fo falifaly anompoana ny Tompo;
tongava eo aminy, mihira, miravo.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
fa Azy isika satria nohariany
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 33-39)

Rahefa esorina teo aminy ny mpampakatra: amin’izay vao hifady hanina izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia nanontany an’i Jesoa nanao hoe:

“Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina
no mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava,
fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?”

Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra,
raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra?
Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo.”

Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe:

“Tsy misy olona manampina lamba tonta
amin’ny tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao,
fa raha izany, ny vaovao moa rovitra,
ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao.
Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta koa,
fa raha izany dia ho simban’ny divay vaovao ny siny hoditra
ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina;
fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao,
dia samy haharitra izy roroa.
Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy
ka hangataka ny vaovao, satria hoy izy hoe:

‘Ny tranainy no tsaratsara kokoa.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...