Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 6, 13-16)

Tahirizo tsy hisy pentina ny didy hatramin’ny fisehoan’ny Tompo.

Ry malala,
izao no ananarako anao eo anatrehan’Andriamanitra,
mpamelona ny zavatra rehetra, sy i Kristy Jesoa,
izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pôntsy-Pilaty:
tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy,
hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika
izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany,
dia ilay Andriamanitra sambatra,
Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.
Izy irery no manana ny tsy fahafatesana,
mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina,
tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy,
ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira, miravo.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra:
fa Azy isika satria noarìny,
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera:
derao Izy Tompo; ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo!
fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 4-15)

Ireo latsaka amin’ny tany tsara no izay mitandrina ny teny ka mamoa amin’ny faharetana.

Tamin’izany andro izany,
nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin’ny tanàna maro hanatona an’i Jesoa,
dia nanao fanoharana Izy hoe:

“Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany;
ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka
no notsindrohin’ny voro-manidina;
ny sasany latsaka tamin’ny vato ka nalaky nitsimoka,
nefa nalazo satria tsy nisy mando;
ny sasany latsaka tamin’ny tsilo ka niara-naniry tamin’ny tsilo,
dia voagejany;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara ka naniry,
dia namoa injato heny.”

Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe:

“Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”

Nanontanian’ny mpianany Azy izay hevitr’izany fanoharana izany,
ka izao no navaliny azy:

“Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra,
fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy,
mba hijery izy fa tsy hahita,
ary handre fa tsy hahafantatra.
Ka izao àry no hevitr’izany fanoharana izany:
Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra.
Ireo teny an-dalam-be no izay nandre,
fa avy ny demony ka nanesotra ny teny ao am-pony,
sao mino izy ka ho voavonjy.
Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana,
nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana,
fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy.
Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre,
fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena
ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa.
Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa
no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...