Vakiteny voalohany

Bokin’i Malakia Mpaminany (Malak. 3, 13-20a)

Indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.

Mafy loatra ny teninareo mamely Ahy, hoy ny Tompo.
Ary hoy ianareo:

“Inona no resakay momba Anao?”

Izao no nolazainareo:

“Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra;
inona no soa azontsika tamin’ny fitandremana ny didiny
sy tamin’ny fandehanana niory teo anatrehan’ny Tompon’ny tafika?
Fa ankehitriny indro ny tsy mivavaka no lazaintsika hoe: sambatra;
fa ambinina izay manao ny ratsy;
maka fanahy an’Andriamanitra izy, nefa afa-potsiny.”

Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra,
dia samy niresaka tamin’ny namany avy.
Ary ny Tompo kosa nihaino ka nahare Izy;
ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany,
ho an’ireo matahotra ny Tompo sy manaja ny Anarany.
Amin’ny andro efa omaniko, hoy ny Tompon’ny tafika,
ho raki-tsoa manokana ho Ahy ireo,
ary ho feno fitiavana azy Aho
ho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin’ny zanany manompo azy.
Ka dia ho hitanareo indray,
ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy,
ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.

Fa indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.
Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo,
ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy ny Tompon’ny tafika,
ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany.
Fa ianareo kosa izay matahotra ny Anarako,
dia hiposahan’ny Masoandron’ny fahamarinana,
ka ho ao amin’ny tana-masoandrony ny fanasitranana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Sambatra ny olona mametraka ny fitokiana amin’ny Tompo.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny Lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony
mahomby avokoa!

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa mamery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)

Mangataha dia hahazo ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha misy aminareo manan-tsakaiza
mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe:

‘Ry sakaiza,
ampisambory mofo telo aho,
fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko,
nefa tsy manan-katolotra azy aho’,

ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe:

‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy;
izaho sy ny zanako efa tafandry
ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’

Lazaiko aminareo,
fa raha maharitra mandondòna izy,
na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano,
dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy.
Ary hoy Izaho aminareo:
Mangataha, dia homena ianareo;
mitadiava, dia hahita;
mandondòna, dia hovohàna.
Fa izay rehetra mangataka no mahazo;
izay mitady no mahita,
ary izay mandondòna no vohàna.
Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany,
raha mofo no angatahiny,
na hanome bibilava azy,
raha hazandrano no angatahiny,
na hanome maingoka azy,
raha atody no angatahiny?
Koa raha ianareo,
na dia ratsy toy inona aza,
mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo,
tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra
no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...