Vakiteny voalohany

Bokin’i Joely Mpaminany (Joel. 4, 12-21)

Raiso ny antsy fijinjana, fa masaka ny vary.

Izao no lazain’ny Tompo:
Aoka hitsangana ny firenena ary aoka hiakatra izy
ho eny amin’ny lohasahan’i Jôsafata!
Fa any no hipetrahako hitsara ny firenena rehetra manodidina.
Raiso ny antsy fijinjana fa masaka ny vary ;
avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny barika;
satria be ny haratsian’izy ireo.
Vahoaka be, vahoaka be, ao amin’ny lohasahan’ny Fitsarana!
Fa efa antomotra ny andron’ny Tompo
ao amin’ny lohasahan’ny Fitsarana!
Ny masoandro amam-bolana, mihamaizina,
afaka amin’ny kintana ny famirapiratany.
Hierona avy ao Siôna ny Tompo,
ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema Izy;
hihorohoro ny tany aman-danitra.
Nefa ny Tompo no ho fialofana ho an’ny vahoakany,
ho fiarovana ho an’ny zanak’i Israely.
Dia ho fantatrareo fa Tompo Andriamanitrareo Aho,
izay monina ao Siôna tendrombohitro masina;
ho fitoerana masina i Jerosalema,
ka tsy hodiavin’ny hafa firenena intsony.
Amin’izany andro izany,
dia hitete avy amin’ny tendrombohitra rehetra ny divay vaovao;
ny havoana handriaka ronono;
ary ny lohasahan-driaka any Jodà,
hitsororohan’ny rano avokoa.
Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’ny Tompo,
ka handena ny lohasahan’i Akasià.
I Ejipta kosa hanjary tany lao,
i Edôma ho efitra faharavana,
noho ny fahasiahana namelezany ny taranak’i Jodà,
fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin’ny taniny izy ireo.
Ary i Jodà, honenana mandrakizay,
ary i Jerosalema koa, mandritra ny taona mifandimby.
Fa hosasako ny ran’izy ireo, izay mbola tsy voasasako.
Dia honina ao Siôna Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 96, 1-2. 5-6. 11-12

Mifalia, ry olo-marina eo imason’Izy Tompo.

Aoka hifaly izany tany, fa manjaka izao ny Tompo;
koa samia manao korana ianareo nosy maro;
fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny mpanjaka, e!
ny rariny sy ny hitsiny, ijoroany ao an-drova.

Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro,
tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa.
Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara;
voninahiny tazàno hita mason’ny vahoaka.

Ny hazavana vao mitranga, ny olo-marina no tràny,
ka somebin-karavoana izay mahitsy fo rehetra.
Mifalia, ry olo-marina eo imason’Izy Tompo!
Eny, masina ny Anarany, tongava ianao hisaotra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 27-28)

Sambatra ny kibo izay nitondra Anao! Fa vao mainka sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka
ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Sambatra ny kibo izay nitondra Anao,
sy ny nono izay ninonoanao!” —

“Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa,
izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...