Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 25, 6-10a)

Hanomana fanasana ny Tompo, ary hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.

Amin’izany andro izany,
ny Tompon’ny tafika hanomana fanasana amin’ity tendrombohitra ity,
ho an’ny firenena rehetra, dia fanasana amin’ny hena matavy,
fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka,
divay ela niotrehana sy voatantavana.
Horovitiny eto amin’ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra,
mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay;
Andriamanitra Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra;
ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra;
fa efa niteny ny Tompo.
Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany:

“Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy;
dia ny Tompo izay nantenaintsika.
Aoka isika hanao fifaliana sy hiravo amin’ny famonjeny”.

Fa ny tanan’ny Tompo hipetraka amin’ity tendrombohitra ity.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6

Ny tranon’ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby.

Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny eo amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany.

Tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako:
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 4, 12-14. 19-20)

Efako ny zavatra rehetra eo amin’Ilay mankahery ahy.

Ry kristianina havana,
haiko ny mihafy, haiko ny manam-be.
Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho,
ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona,
na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona.
Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy;
nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra,
araka ny hareny,
hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay!
Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)

Asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny zokiolona nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina,
ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:

‘Indro efa voavoatra ny nahandro ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava aty amin’ny fampakaram-bady ianareo’.

Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony,
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.
Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy handoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:

‘Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana
ary asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo’,

Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.

Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana,
ka nahita lehilahy anankiray
tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady,
dia hoy izy taminy:

‘Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto
nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’

Fa sina ilay olona:
ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony:

‘Afatory ny tongotra aman-tanany,
ka ario any amin’ny maizina any ivelany io,
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify’.

Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-10)

Asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny zokiolona nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina,
ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:

‘Indro efa voavoatra ny nahandro ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava aty amin’ny fampakaram-bady ianareo’.

Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony,
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.
Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy handoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:

‘Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana
ary asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo’,

Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...