Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 1, 16-25)

Nahalala an’Andriamanitra izy ireo nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
tsy menatra ny Evanjely aho,
satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino,
dia ny Jody aloha, vao ny jentily.
Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan’Andriamanitra
avy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe:

“Ho velona noho ny finoana ny olo-marina.”

Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra,
mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra
sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina
amin’ny tsy fahamarinany,
satria miseho miharihary ao aminy
izay mba mety ho fantatra momba an’Andriamanitra,
fa nasehon’Andriamanitra taminy izany.
Fa ny fombany tsy hita,
toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy,
dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany
ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra;
koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
fa nahalala an’Andriamanitra izy,
nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy;
fa nanjary zava-poana izy tamin’ny fisainany,
ary tonga maizina ny fony donto.
Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala,
fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lò,
dia nosoloany sarin-javatra mety lò,
toy ny olombelona,
na ny vorona,
na biby mandady tongotra efatra,
na biby mikisaka.
Noho izany,
dia navelan’Andriamanitra izy ireo
hoentin’ny filan-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana,
mba hifanala baràka amin’ny tenany
ary nosoloany lainga ny fahamarinan’Andriamanitra,
ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina
toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay. Amen!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 2-3. 4-5

Ny lanitra mitanisa ny voninahitr’Andriamanitra.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’ny andro manaraka.
Ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Araikao amin’ny Fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Aieloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 37-41)

Manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hisakafo ao aminy,
ka niditra Izy dia nipetraka nihinana.
Fa velona eritreritra ilay Farisianina
nahita itý Izy tsy nisasa alohan’ny fihinanana,
ka hoy ny Tompo taminy:

“Ianareo Farisianina kosa iky
mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia,
kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana.
Ry adala,
moa izay manao ny vohony tsy manao ny atiny koa?
Izao ihany:
manaova fiantrana araka izay anananareo,
dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...