Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 4, 1-8)

Nino an’Andriamanitra i Abrahama ka izany no notanana ho fahamarinany.

Ry kristianina havana,
inona àry no holazaintsika ny amin’i Abrahama razantsika,
fa azony araka ny nofo?
Raha noho ny asa no nanamarinana an’i Abrahama,
dia manana hireharehana ihany izy;
nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa ahoana hoy ny Soratra Masina?
Izao: nino an’Andriamanitra i Abrahama,
ka izany no notanana ho fahamarinany.
Satria amin’izay miasa,
dia tsy heverina ho fahasoavana ho azy ny karama,
fa hoe trosa;
ary amin’izay tsy miasa,
fa mino an’Ilay manamarina ny ratsy fanahy,
no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany,
araka ny lahatry ny fahasoavan’Andriamanitra.
Izany no ilazan’i Davida ny hasambaran’ny olona
itanan’Andriamanitra fahamarinana tsy aman’asa hoe:
Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany;
sambatra ny olona tsy hitanan’Andriamanitra heloka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 31, 1-2. 5. 11

Ianao no fiereko miaro amin’ny loza.

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota!
Eny, sambatra ny olona
tsy itanan’ny Tompo hadisoana
sy tsy misy fitaka eo am-bava!

Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako.
Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho:
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!

Mifalia ao amin’ny Tompo!
miravoa, ry olo-marina!
Mihobia avokoa,
ry mahitsy fo!

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 1-7)

Na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.

Tamin’izany andro izany,
tafangona an’arivony maro ny olona
ka efa nila hifanosy mihitsy,
dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe:

“Tandremo aloha indrindra
sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo,
izany hoe: ny fihatsarambelatsihy.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra.
Koa izay rehetra nolazainareo tao amin’ny maizina
dia ho re ao amin’ny mazava,
ary izay nobitsihinareo tamin’ny sofina tao an-trano,
dia hotorìna eny an-tafon-trano.
Ka izao no lazaiko aminareo sakaizako:
Aza matahotra izay mahafaty ny nofo,
nefa rahefa izany tsy afa-manoatra intsony;
fa hany tokony hatahoranareo dia izao:
matahora izay manam-pahefana hamarina any amin’ny afobe
rahefa novonoiny ianareo;
eny, hoy Aho aminareo, matahora azy.
Moa tsy ilavoamena va no vidin’ny fody dimy?
Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireny
na dia iray aza.
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
Koa aza matahotra àry,
fa mihoatra lavitra noho ny fody maro ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...