Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 45, 1. 4-6)

Notantanako tamin’ny tanany havanana i Sirosy mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany.

Izao no lazain’ny Tompo amin’i Sirosy
ilay voahosony izay notantanany tamin’ny tanany havanana,
mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany,
sy hamaha ny fehikibon’ireo mpanjaka,
ary hamoha ny varavarana eo anoloany,
mba tsy ho voasakana tsy hiditra amin’ireny izy:

“I Jakôba mpanompoko sy i Israely voafidiko
no niantsoako anao tamin’ny anaranao;
sy nanendreko anao,
fony mbola tsy nahalala Ahy ianao.
Izaho no Tompo ary tsy misy hafa koa;
tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Nampisikina anao Aho,
fony ianao tsy mbola nahalala Ahy,
mba hahafantaran’ny olona,
hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany,
fa tsy misy na inona na inona afa-tsy Izaho!
Izaho no Tompo ary tsy misy hafa”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 95, 1 sy 3. 4-5. 7-8. 9-10ad

Omeo ny Tompo ny voninahitra sy ny hery.

Ihirao hira vao ny Tompo,
ihirao ny Tompo, ry tany tontolo.
Ambarao ny firenena ny voninahiny,
ny asany mahagaga lazao ny vahoaka.

Fa lehibe ny Tompo, mendri-dera fatratra,
Izy no mahatahotra fa tsy ny sampy.
Ny andriamanitr’ireo firenena: tsinontsinona,
ny Tompo kosa nanao ny lanitra.

Omeo ny Tompo, rey fokom-pirenena,
omeo Azy ny voninahitra sy ny hery;
eny, omeo ny Tompo
ny voninahitry ny Anarany.

Iankohofy ny Tompo amim-panamiana masina.
Mangovita eo anoloany, ry Tany tontolo,
ilazao ny firenena: “Manjaka ny Tompo!
ny vahoaka, tsarainy araka ny hitsiny!”

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 1-5b)

Tsaroana ny asan’ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fanantenanareo.

Izaho Paoly sy i Silvano ary i Timôte,
mamangy ny Eglizy any Tesalônika,
izay ao amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana.
Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva
noho ny aminareo rehetra izahay,
sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika
ny asan’ny finoanareo,
sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo
ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika,
fa fantatray, ry kristianina havana, malalan’Andriamanitra,
fa olom-boafidy ianareo,
satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo
dia tsy tamin’ny teny ihany,
fa tamin’ny hery koa,
sy tamin’ny Fanahy Masina,
ary tamin’ny fampiaikena tanteraka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 15-21)

Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
niray tetika ny Farisianina hamandrika an’i Jesoa amin’ny teniny.
Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny Herôdianina
ho any aminy izy ireo nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Ianao,
ary mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina,
ka tsy mampaninona Anao ny olona;
satria tsy mizaha tavan’olona Ianao.
Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin’ity:
mety va ny mandoa hetra ho an’i Sezara sa tsia?”

Fa i Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe:

“Ry mpihatsaravelatsihy,
nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Asehoy ahy ny farantsa kely fandoa amin’ny hetra”.

Dia nanasehoany denie iray Izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Sarin’iza, sy anaran’iza ity?”

Hoy ireo hoe:

“An’i Sezara”.

Ka hoy Izy:

“Raha izany àry,
dia aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara,
ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...