Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 12. 15b. 17-19. 20b-21)

Raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olon-drehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray no ahaveloman’ny rehetra.

Ry kristianina havana,
tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray,
no nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra.
Fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra,
mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray,
dia i Jesoa Kristy,
no nandraisan’ny olona rehetra an-kabetsahana
ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.
Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza
nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io,
mainka fa ny nataon’ny anankiray,
dia i Jesoa Kristy,
no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana
amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra
noho ny fahadisoana iray
no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana
ho an’ny olona rehetra kosa
noho ny fahamarinana iray.
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota
noho ny tsy nanekan’ny olona iray
no nahatongavan’ny maro ho marina kosa
noho ny naneken’ny olona iray.
Nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra
no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra
mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty
no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana
hahavelona mandrakizay kosa,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17

Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitra no mamiko.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao mantsy ny sofiko.
Tsia, tsy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!

Ny manao ny sitrakao,
ry Andriamanitro no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko
ny lalànao!

Torìko ao am-Piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo
tsy akomboko ny molotro.

Fa hifaly sy hiravo aminao kosa
izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe:
Lehibe ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)

Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka ho voaetra ny andilanareo,
ary ho voarehitra ny jironareo.
Manaova toy ny olona miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony
avy any amin’ny fampakaram-bady,
mba hamoha azy miaraka amin’izay
raha vantany vao tonga sy mandondòna izy.
Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina
raha tonga izy;
lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony
ka hampipetraka azy hihinana,
ary ho avy hampihinana azy.
Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy,
na tonga amin’ny fiambenana fahatelo
ka mahatratra azy manao toy izany,
dia sambatra ireo mpanompo ireo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...