Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 6, 19-23)

Ankehitriny afaka tamin’ny fahotana ianareo ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
miteny araka ny fanaon’ny olona aho,
noho ny fahalemen’ny nofonareo:
tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana
sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana,
no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny
hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
Fa nony mpanompon’ny ota ianareo,
dia olon-ko azy tamin’ny fahamarinana.
Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay?
Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny,
fa fahafatesana no iafarany.
Ary ankehitriny kosa,
rahefa afaka tamin’ny fahotana ianareo,
ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra,
dia ny fahamasinana no vokatra azonareo
ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota,
ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa
no fanomezan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.

Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina.

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony
mahomby avokoa.

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina fantatry ny Tompo,
ny lalan’ny mpanota kosa mamery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)

Tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa fampisarahana aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tonga hanipy afo etý ambonin’ny tany Aho,
ka akory itý faniriako mba hirehetan’izany sahady!
Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho,
ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany!
Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana etý an-tany Aho?
Tsia, hoy Izaho aminareo,
fa fampisarahana aza.
Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray,
dia hanao an-daniny,
ka hifanohitra ny telo amin’ny roa,
ary ny roa amin’ny telo;
ny ray amin’ny zanany lahy,
ary ny zanakalahy amin’ny rainy;
ny reny amin’ny zanany vavy,
ary ny zanakavavy amin’ny reniny;
ny rafozam-bavy amin’ny vinantony vavy,
ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...