Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 1, 1-4. 11-12. 19. 23-27)

Ahoana no nahalavoan’ny mahery tany an’ady?

Fiantombohan’ny Boky Faharoan’i Samoela.
Nony maty i Saola dia niverina avy nandresy ny Amalesita kosa i Davida
ka nipetraka tao Sikelega.
Tamin’ny andro fahatelo, intý nisy lehilahy anankiray,
avy tany an-toby, avy tany amin’i Saola,
ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany,
ary nony mby teo amin’i Davida izy
dia nidaboka tamin’ny tany, ka niankohoka.
Hoy i Davida taminy:

“Avy aiza ianao?”

Ary hoy ny navaliny azy:

“Nandositra avy tany an-tobin’i Israely aho.”

Dia hoy i Davida taminy:

“Ka nanao ahoana avy?
Tantarao amiko kely hoe.”

Ary hoy izy:

“Nandositra tamin’ny ady ny vahoaka,
ka be no nitsingidina sy maty tamin’ny vahoaka,
ary maty koa aza i Saola sy i Jônatasy zanany.”

Dia noraisin’i Davida ny fitafiany,
ka norovitiny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
Nanao ny fombam-pisaonana azy izy ireo,
nitomany sy nifady hanina mandra-paharivan’ny andro,
nisaona an’i Saola sy i Jônatasy ary ny olon’ny Tompo sy ny tranon’i Israely,
satria lavon-tsabatra izy ireo.
Ary i Davida niventy izao hira fisaonana izao:

“Moa levona teny amin’ny tamponao va ny famirapiratr’i Israely?
Ahoana no nahalavoan’ny mahery?
Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony,
ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka.
Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona.
Mitomania an’i Saola, ry zanakavavin’i Israely
fa notafiany jaky tao anatin’ny fahafinaretana ianareo;
noravahany volamena ny fitafianareo!
Ahoana no nahalavoan’ny mahery tany an’ady?
Voagorobaka teo amin’ny havoana i Jônatasy!
Trotraky ny alahelo anao aho, ry Jônatasy rahalahiko!
Fa ianao ihany no fahafinaretako tanteraka,
mamiko noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao.
Ahoana no nahalavoan’ny mahery?
Ahoana no nahafatesan’ny mpiady?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 79, 2-3. 5-7

Ny Tavanao aseho, Tompo; dia ho voavonjy izahay.

Ry Mpiandry an’i Israely mandrenesa,
izay mitondra an’i Jôsefa toy ny ondry.
Ry mipetraka eo ambony kerobima,
efa Anao ny voninahitra, asehoy.
Eo alohan’i Manase sy i Efraima,
dia fohazy ny herinao hamonjy anay.

Rahoviana re ianao vao hitony
tsy ho tezitra amin’ny sisa izay tavela.
Raha ny mofom-pahoriana, dia efa voky,
ranomaso no gohinay hatrizay!
Fa izahay dia nanjary fanaraby,
sy faneson-dry zareo fahavalo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-21)

Hoy ny havany: Efa very saina Izy.

Tamin’izany andro izany,
niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany,
dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy,
fa hoy izy ireo:

“Efa very saina Izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...