Vakiteny voalohany

Bokin’i Joely Mpaminany (Joely 2, 12-18)

Ny fonareo no rovidrovito fa aza ny fitafianareo.

Izao no lazain’ny Tompo:

miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra,
amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.
Ny fonareo no rovidrovito, fa aza ny fitafianareo,
dia miverena amin’ny Tompo Andriamanitrareo,
fa mamindra fo sy miantra Izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po,
ary ny loza afitsony dia alahelovany.
Iza moa no mahalala fa tsy hihemotra sy tsy hanenina,
ary tsy hamela fitahiana eo aoriany Izy,
dia ny fanatitra amam-panatitra araraka ho an’ny Tompo Andriamanitsika?
Tsofy ao Siôna ny trômpetra,
miantsoa fifadian-kanina, mamoria fiangonana.
Eho ny vahoaka; miantsoa fivoriana masina,
angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono.
Aoka ny mpampakatra handao ny efi-tranony,
ary ny ampakarina handao ny trano lainy.
Eo anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôtely,
dia aoka ny mpisorona mpanao raharahan’ny Tompo,
hitomany ka hanao hoe:

“Tompo ô, tsimbino ny vahoakanao,
aza atolotrao halam-baraka ny lovanao,
ka hataon’ny firenena fandatsa.
Ahoana no dia hanaovana anay any amin’ny hafa firenena hoe:
Fa aiza izay Andriamanitr’izy ireo?”

Nentanin’ny hasaro-piaro ny taniny ny Tompo ka namindra fo ny vahoakany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 50, 34. 5-6a. 12-13. 14 sy 17)

Iantrao aho, ry Andriamanitra, araka ny hatsaram-ponao.

Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao;
koseho re ny heloko, fa be indrafo Ianao.
Sasao tanteraka amin’ny otako aho,
diovy tokoa amin’ny hadisoako.

Eny, miaiky heloka aho:
tsaroako lalandava ny otako.
Ianao irery tokoa no nanotako;
ny ratsy imasonao no nataoko.

Amoròny fo madio aho, ry Andriamanitra ô,
fanahy vaovao araikitra ato anatiko.
Aza esorina anoloanao aho;
ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.

Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy;
fanahy mazoto ankaherezana ahy.
Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hidera Anao ny vavako.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan'i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 5, 20 — 6, 2)

Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo. Indro ankehitriny ny fotoana tsara.

Ry kristianina havana,
sady solon’i Kristy izahay no irak’Andriamanitra,
ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra
sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe:

Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!
Fa he ity Izy:
Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika,
mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!

Ka noho izahay mpiara-miasa aminy àry
dia mihanta aminareo izahay
mba tsy handray foana ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo;
fa hoy Izy:

“Tamin’ny fotoana tsara, nihaino anao Aho;
ary tamin’ny androm-pamonjena, namonjy anao Aho”;

indro, ankehitriny ny fotoana tsara;
indro, ankehitriny ny androm-pamonjena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)

Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona
ny asa soa ataonareo mba hahitany azy;
fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo
izay any an-danitra ianareo.
Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao,
dia aza mitsoka trômpetra eo anoloanao
tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy
ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be,
mba hankalazan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany,
Fa raha manao fiantrana ianao,
aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana,
mba hiafina ny fiantrana ataonao,
ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.

Ary raha mivavaka ianareo;
aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy,
izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny Sinagôga sy eny anjoron-dalana,
mba hahitan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa, fa efa azony ny valisoany.
Fa Ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao ainin’ny efitranonao,
ka rehefa voarindrinao ny varavarana,
dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina,
ary ny Rainao izay mahita ny ao amin’ny mangingina no hamaly anao.

Ary raha mifady hanina ianareo,
dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy,
izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy.

Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao,
ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina,
fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina;
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...