Vakiteny voalohany

Boky Deteronômy (Det. 30, 15-20))

Indro nataoko eo anoloanao androany ny tso-drano sy ny ozona.

Tamin’izany andro izany,
izao no nolazain’i Môizy tamin’ny vahoaka Israely:

“Indro nataoko eo anoloanao androany ny fiainana sy ny tsara,
ny fahafatesana sy ny ratsy,
tamin’ny nandidiako anao androany ho tia ny Tompo Andriamanitrao
sy handeha amin’ny lalany,
ary hitandrina ny didy aman-dalàny mbamin’ny fitsipiny,
mba ho velona ianao,
sy hihamaro ary hambinin’ny Tompo Andriamanitrao
any amin’ny tany efa hidiranao mba hanananao azy.
Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao,
fa mety hotarihina hiankohoka amin’andriamani-kafa sy hanompo azy,
dia ambarako anareo dieny ankehitriny,
fa ho ringana tokoa ianareo;
tsy ho lava andro any amin’ny tany efa hidiranao hanananao azy
rahefa tafita an’i Jordany ianao.
Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo aho anio,
fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana,
ny tso-drano sy ny ozona;
koa fidio àry ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
amin’ny fitiavana ny Tompo Andriamanitrao sy fihainoana ny feony,
ary firaiketana aminy,
fa izany no fiainanao sy andro lava
honenanao any amin’ny tany efa nianianan’ny Tompo homena an’i Abrahama,
sy i Isaaka ary i Jakôba, razanao.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 1, 1-2. 3. 4 sy 6)

Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.

Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalan’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy,
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony,
mahomby avokoa!

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy;
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo,
ny lalan’ny mpanota kosa mamery!

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana.

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 22-25)

Izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona,
ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona
mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny;
fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.”

Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra:

“Raha misy te-hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany
sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro
ka hanaraka Ahy.
Izay te-hamonjy ny ainy dia hahavery azy
fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy.
Ary inona no soa azon’ny olona
raha mahazo izao tontolo izao aza izy,
nefa very ny tenany ka voaheloka izy?”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...