Vakiteny voalohany

Bokin’i Jônasa Mpaminany (Jônasa 3, 1-10)

Niala tamin’ny lalan-dratsiny ny olona tao Niniva.

Tonga fanindroany tamin’i Jônasa ny tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Mitsangàna ianao, mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe,
hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao.”

Dia nitsangana i Jônasa, ka nankany Niniva, araka ny tenin’ny Tompo.
Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, fa lalan-kateloana.
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasa,
ka nitory izy nanao hoe:

“Rahefa afaka efapolo andro dia horavana i Niniva.”

Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva,
ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa,
hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.
Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka,
ka niala teo amin’ny seza fiandrianany, nanesotra ny kapaotiny,
nirakotra lasàka, ary nipetraka teo amin’ny lavenona.
Ary nantsoina tao Niniva sy nolazaina araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpitondra izao teny izao:

“Aza misy manandrana zavatra akory na miraotra sy misotro rano,
na olona na biby, na omby aman’ondry;
aoka samy hirakotra lasàka ny olona sy ny biby,
ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra,
samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy.
Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra sy hitonen’ny hatezerany mirehitra,
ka dia mba tsy haripaka isika.”

Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialàny tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra
ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo,
ka dia tsy notanterahiny indray izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 50, 3-4. 12-13. 18-19)

Ny fo torotoro sy montsamontsana, tsy mba iavonanao, ry Andriamanitra.

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra,
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.

Fo madio vaovao no angatahiko,
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko;
ny Fanahy aza esorinao amiko.

Lavinao tsotra izao ny fanatitra,
toy izany ireo Sorona dorana.
Ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotro.
Tsy hodianao tsy hita Andriamanitro,
ny fanahy torotoro sy trotraka.

Evanjely

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)

Tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa Mpaminany ity taranaka ity.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo vahoaka betsaka nitangorona teo aminy nanao hoe:

“Taranaka ratsy ity taranaka ity;
mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany.
Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva
no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’ity taranaka ity.
Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’ity taranaka ity
ny mpanjakavavy avy any atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.
Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity
ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny,
nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo. 

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...