Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 1, 10. 16-20)

Mianara manao soa, katsaho ny rariny.

Mihainoa ny tenin’ny Tompo, ry mpitsaran’i Sôdôma,
mitongilàna sofina amin’ny lalàn’Andriamanitsika, ry vahoakan’i Gômôra:

“Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian’ny asanareo, hiala eo imasoko;
mitsahara tsy hanao ratsy, mianara hanao soa;
katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory,
omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondra tena.
Avia, hiara-mifandahatra isika.
Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo,
hanjary fotsy hoatra ny oram-panala;
na mena hoatra ny jaky aza izy,
ho tonga toy ny volon’ondry.
Raha manaiky amin’ny fo mazoto ianareo,
dia hihinana ny zava-tsoan’ny taninareo.
Fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo,
dia ho levon’ny sabatra.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 49, 8-9. 16bd-17. 21 sy 23)

Izay mahitsy fandeha hanehoan’Andriamanitra ny vonjiny.

Tsy ny fanatitrao no ampamoahako anao:
na ny sorona dorana izay anoloako lalandava!
Ahoako inona izay vantotr’omby ao an-tranonao,
na izay osilahy ao am-pahitrao?

Ahoana ianao no mitanisa ny didiko,
sy manao ny fanekeko eo am-bava;
ianao mpankahala anatra
sy mpanipy ny teniko any ivoho.

Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho?
Sa Izaho heverinao ho toa anao?
Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao!
Izay misorona saotra no hasaiko ka hohetsahiko amin’ny vonjiko.

Evanjely

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho.

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

Milaza fotsiny izy ireo fa tsy manao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe:

“Efa mipetraka eo amin’ny ipetrahan’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina,
dia atainginy eo an-tsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety hanetsika izany
na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany
no anaovany ny asany rehetra,
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa
noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja
ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety hantsoina hoe Raby,
fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra.
Aza mety hatao hoe mpampianatra;
fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry,
ary izay hanetry tena dia hasandratra.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...