Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fan 21, 4-9)

Izay rehetra voakaikitra ka mijery ny bibilava varahina dia ho velona.

Tamin’izany andro izany,
niala tany an-tendrombohitra Hora ny vahoaka Israely,
dia nihazo ny lalan’ny Ranomasina Mena,
hanodidina ny tanin’i Edôma.
Namoy fo tsy niaritra ny vahoaka tamin’io lalana io,
ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy hoe:

“Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay
ho faty aty an’efitra?
Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy,
ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.”

Ary ny Tompo tamin’izay
nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka;
nokekerin’ireny ny vahoaka
ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’i Israely.
Nankeo amin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe:

“Efa nanota izahay
fa niteny nanome tsiny ny Tompo sy ianao.
Mivavaha amin’ny Tompo
mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo.”

Dia nivavaka ho an’ny vahoaka i Môizy,
ka hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Manaova ianao bibilava mahamay
ka apetraho amin’ny tsato-kazo,
fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra
ka mijery izany.”

Dia nanao bibilava varahina i Môizy,
ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo anankiray,
ary raha nisy voakaikitry ny bibilava,
dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 101, 2-3. 16-18. 19-21)

Tompo ô, henoy vavaka aho!

Tompo ô, henoy vavaka aho!
Aoka ho tonga aminao ny tarainako!
Aza anafenan-tava aho
amin’ny andro fahoriako.
Itongilano sofina, valio faingana,
amin’ny andro iantsoako.

Ka hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
ny voninahitrao, ny mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo mantsy hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny,
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talohan’izy ireo.

Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho ary!
Avy any an-toerany masina any ambony Izy no mitsinjo:
avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany:
hahahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Ny tenin’Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 21-30)

Rahefa voasandratrareo ny Zanak’Olona vao ho fantitrareo fa Izaho no Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina nanao hoe:

“Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo,
ary ho faty amin’ny fahotanareo.
Izay alehako tsy azonareo aleha.”

Dia hoy ny Jody:

“Hamono tena angaha Izy no manao hoe:
izay alehako tsy azonareo aleha?”

Fa hoy Izy tamin’izy ireo:

“Ianareo avy ety an-tany,
Izaho avy any an-danitra;
ianareo olon’izao tontolo izao;
Izaho tsy mba olon’izao tontolo izao.
Izany no nilazako taminareo
fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo;
satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy,
dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo.”

Dia hoy ry zareo taminy:

“Iza moa Ianao?”

Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Izay lazaiko aminareo indrindra.
Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho;
fa marina Ilay naniraka Ahy,
ary izay efa reko taminy
no lazaiko amin’izao tontolo izao.”

Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy.
Ka hoy i Jesoa taminy:

“Rahefa voasandratrareo ny Zanak’Olona
vao ho fantatrareo fa Izaho no Izy,
sady tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho,
fa izay nampianarin’ny Ray Ahy no lazaiko.
Ary Izay naniraka Ahy dia eto amiko,
fa tsy navelany ho irery Aho,
satria manao izay tiany mandrakariva.”

Tamin’Izy niteny izany, dia maro no nino Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...