Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 17, 3-9)

Ho rain’ny firenena tsy hita isa ianao.

Tamin’izany andro izany,
niankohoka tamin’ny tany i Abrama
ary Andriamanitra niteny taminy nanao hoe:

“Ny amiko dia izao no fanekeko aminao:
Ianao ho tonga rain’ny firenena tsy hita isa,
ary ny anaranao dia tsy hatao hoe i Abrama intsony,
fa hatao hoe i Abrahama,
satria hataoko rain’ny firenena tsy hita isa ianao.
Hampitomboiko dia hampitomboiko ianao,
hataoko firenena maro ianao,
ary hisy mpanjaka avy aminao.
Manao fanekena aminao Aho sy amin’ny taranakao,
hanaraka anao amin’ny taona mifandimby,
dia ho fanekena maharitra mandrakizay,
mba ho Andriamanitrao Aho,
sy ho Andriamanitry ny taranakao handimby anao.
Homeko anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao,
dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay,
ary Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo.”

Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama:

“Ny aminao kosa hitandrina ny fanekeko ianao,
dia ianao sy ny taranakao amin’ny taona mifandimby.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 104, 4-5. 6-7. 8-9)

Tsaroan’ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Katsaho ny Tompo sy ny heriny!
Tadiavo lalandava ny tavany!
Tsarovy ny asa mahagaga nataony,
ny asany mahatalanjona, ny fitsaran’ny vavany.

Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny!
Izy no Tompo Andriamanitra;
manerana ny tany tontolo ny fitsarany.

Tsaroany mandrakizay ny fanekeny;
dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo,
ilay niantohany tamin’i Abrahama,
sy nianianany tamin’i Isaaka.

Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 51-59)

Nientan-kafaliana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny Jody hoe:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha misy mitandrina ny teniko,
dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy.”

Dia hoy ny Jody:

“Fantatray amin’izao fa manana demony Ianao;
i Abrahama sy ny mpaminany aza maty,
fa Ianao kosa manao hoe:
Raha misy mitandrina ny teniko,
dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy.
Angaha Ianao lehibe noho i Abrahama rainay izay efa maty?
Ny mpaminany koa efa maty;
manao Anao ho iza re Ianao e?”

Dia hoy i Jesoa:

“Raha manome voninahi-tena Aho,
dia tsinontsinona ny voninahitro;
fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo
no manome voninahitra Ahy.
Tsy fantatrareo anefa Izy;
fa Izaho no mahalala Azy,
ary raha milaza ho tsy mahalala Azy Aho,
dia ho mpandainga tahaka anareo koa:
fa fantatro Izy, ary mitandrina ny teniny Aho.
Nientan-kafaliana i Abrahama rainareo
nanantena hahita ny androko;
ary nahita izy ka faly.”

Dia hoy ny Jody taminy:

“Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao,
ka dia hoe nahita an’i Abrahama?”

Hoy i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fony mbola tsy àry i Abrahama,
dia efa Izaho Aho.”

Tamin’izay dia naka vato izy ireo hitorahana Azy;
fa niery i Jesoa ka nivoaka ny tempoly.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...