Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 4, 1-12)

Ary tsy misy hafa hahitana famonjena.

Tamin’izany andro izany,
raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Piera sy i Joany,
taorian’ny nahasitranan’ilay malemy tongotra,
dia indreo tonga ny mpisorona maro,
sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly, ary ny Sadoseanina,
fa sosotra izy ireo
noho ny nampianaran’izy roa lahy ny vahoaka
sy nitoriany ny fitsanganan-ko velona
efa hita tamin’i Jesoa Kristy,
ka nosamboriny izy ireo,
sy nataony an-tranomaizina ambara-pahamaraina ny andro;
fa efa hariva ny andro tamin’izay.
Maro anefa tamin’izay nandre ny tenin’izy ireo no nino,
ka tonga dimy arivo ny isan’ny lehilahy.
Nony ampitso,
dia nivory tao Jerosalema ny mpitondra, ny loholona, ny mpanora-dalàna,
ary i Ana lehiben’ny mpisorona, i Kaifa, i Joany sy i Aleksandra,
mbamin’ny havan’ny mpisorona rehetra,
ka nasainy nentina teo anatrehany izy roa lahy,
dia nanontaniany hoe:

“Amin’ny fahefan’iza,
na amin’ny anaran’iza no anaovanareo izany?”

Tamin’izay i Piera dia feno ny Fanahy Masina
ka nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Ry mpitondra ny vahoaka sy loholon’i Israely,
raha ny amin’ny soa nataonay tamin’ilay lehilahy nalemy
sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio,
dia aoka ho fantatrareo rehetra
sy ny vahoaka Israely rehetra
fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta,
izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana,
fa natsangan’Andriamanitra ho velona,
no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.
Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano,
kanjo tonga vato fehizoro kosa;
ary tsy misy hafa hahitana famonjena,
fa tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra
nomena ny olona hahazoantsika famonjena.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

(Salamo 117, 1-2 sy 4. 22-24. 25-27a)

Ny vato niavonan’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro.

Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo!
Fa mandrakizay ny fitiavany.
Lazao, ry Israely, ry fianakaviany!
Fa mandrakizay ny fitiavany.
Lazao, ry matahotra am-po Azy Tompo!
Fa mandrakizay ny fitiavany.

Ny vato natsipin’ny mpanorin-trano
no indro natao fehizoro.
Izany no asa nataon’Izy Tompo,
ka gaga ny maso mijery.
Izao re no andro nataon’Izy Tompo
hiravoravoana, hifaliana.

Tongava, ry Tompo, tongava hamonjy,
tongava hanome fandresena.
Hisaorana anie ilay avy amin’ny Tompo,
Ilay tonga avy amin’ny Anarany.
He tsofinay rano tokoa ianareo,
mivory ato an-tranon’ny Tompo.
Fa tena Andriamanitra ilay Tompontsika:
manilo ary koa manazava.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-14)

Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo sy nanome azy, ary toy izany koa ny hazan-drano.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niseho tamin’ny mpianany indray
teo amoron-dranomasin’i Tiberiady
ary toy izao no nisehoany:

Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay natao hoe Didimo,
ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea,
mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa.
Fa hoy i Simôna Pièra tamin’izy ireo:

“Handeha hanarato aho.”

Fa hoy ireo taminy:

“Handeha hiaraka aminao koa izahay.”

Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely,
nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny.
Nony maraina ny andro,
dia tonga teo amoron-drano i Jesoa;
kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy.
Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Manan-kanina va ianareo, anaka?”

Dia hoy ny navaliny Azy:

“Tsia.”

Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo,
fa hahazo ianareo.”

Dia nalatsany ny harato
ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano.
Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera:

“Ny Tompo io.”

Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io,
dia noraisiny sy nisikinany ny akanjony ivelany
fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy.
Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely
(fa tsy lavitra ny tany izy,
fa tokony ho roanjato hakiho monja),
nitarika ny harato feno hazandrano.

Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo,
dia nahita vainafo sy hazandrano iray eo amboniny ary mofo.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Itondray ny hazandrano vao azonareo.”

Dia niakatra i Simôna Piera,
ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy
telo amby dimampolo amby zato;
nefa tsy rovitra ny harato
na dia betsaka toy izany aza izy.
Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Avia hisakafo.”

Ny mpianatra izany tsy nisy na dia iray aza,
sahy nanontany Azy hoe:
Iza moa Ianao?
satria fantany ihany fa ny Tompo io.
Dia nanatona i Jesoa,
nandray ny mofo, sy nanome azy ireo;
ary toy izany koa ny hazandrano.
Izay no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany,
rahefa nitsangan-ko velona Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...