Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 4, 13-21)

Raha izahay dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay.

Tamin’izany andro izany,
dia gaga ry zareo mpitondra sy loholona ary mpanora-dalàna
nahita ity hasahian’i Piera sy i Joany,
satria fantany fa sarambaben’olona sy tsy nahita fianarana izy roa lahy,
ary tandriny koa fa olona efa niaraka tamin’i Jesoa izy ireo;
nefa tsy hitany izay hanoherany azy ireo
noho ilay lehilahy sitrana hitany nitsangana teo akaikin’izy roa lahy.
Ka dia nasainy niala teo amin’ny fivoriana aloha izy roa lahy,
ary izy ireo kosa niara-nihevitra nanao hoe:

“Inona no hataontsika amin’ireo lehilahy ireo?
Raha ny fahagagana nataony aloha,
dia fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema miharihary izany,
ka tsy azontsika lavina;
fa mba tsy hielezan’izany intsony amin’ny vahoaka kosa,
ndeha horahonantsika izy,
mba tsy hiteny amin’izany Anarana izany intsony
na amin’iza na amin’iza.”

Dia nantsoiny izy ireo ka norarany mafy
mba tsy hiteny sy tsy hampianatra amin’ny Anaran’i Jesoa intsony.
Fa namaly i Piera sy i Joany
ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Tsaroanareo raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia
ny manaiky anareo mihoatra noho an’Andriamanitra;
fa raha izahay,
dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza
izay efa hitanay sy renay.”

Tamin’izay,
norahonany indray izy ireo, dia nalefany;
fa tsy hitany izay hamaizany azy
noho ny tahony ny vahoaka,
izay efa nankalaza an’Andriamanitra daholo
noho ny zavatra vao niseho teo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

(Salamo 117, 1 sy 14-15. 16ab-18. 19-21)

Misaotra Anao aho, ry Tompo, fa namaly ahy Ianao.

Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany.
Deraiko fa heriko mantsy Izy Tompo.
Nanaiky ho Mpamonjy ny aiko.
Mihoby sy faly aho fa tra-pamonjena,
miantsa ao an-tranon’ny Marina.

Natsotran’ny Tompo ny tanan-kavanany,
natsotrany hanampatra ny heriny.
Ka indro aho ho velona tsy mba ho faty,
hiantsa ny ataon’Andriamanitra.
Nitsapa ahy mafy tokoa Izy Tompo,
kinanjo aho tsy foiny ho faty.

Vohay ny varavaran’ny fahamarinana,
hidirako hisaotra ny Tompo.
Fa eto tokoa ny varavaran’ny Tompo.
Ny Marina no miditra aminy.
Isaorako Ianao, fa mihaino ahy, ry Tompo:
nanaiky ho mpamonjy ny aiko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 9-15)

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Rahefa nitsangan-ko velona i Jesoa,
ny marainakoan’ny andro voalohany amin’ny heninandro,
dia i Maria Madelenina, ilay namoahany demony fito,
no nisehoany voalohany.
Ka lasa io nilaza izany tamin’ireo mpanaraka Azy,
izay mbola nalahelo sy nitomany.
Nefa nony nandre izy ireo,
fa hoe velona indray Izy ka efa hitan-dravehivavy,
dia tsy nino izany izy.
Manaraka izany,
i Jesoa dia niseho tamin’ny endrika hafa
tamin’ny roa lahy amin’izy ireo,
izay nankany an-tsaha.
Dia lasa ireo nilaza tamin’ny namany;
fa tsy ninoany koa.
Tamin’ny farany dia ny tenan’izy iraika ambin’ny folo lahy
no nisehoany teo am-pihinanana indrindra,
ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony,
satria tsy nino izay nahita Azy tafatsangan-ko velona izy ireo.
Ary hoy Izy taminy:

“Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao,
mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...