Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14a. 36-41)

Nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy iny lehilahy iny.

Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera,
ka nanao antso avo tamin’ny Jody hoe:

“Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina,
fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny,
no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”.

Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona,
ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany:

“Inona àry, ry rahalahy, no hataonay ?”

Dia hoy i Piera tamin’izy ireo:

“Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra,
mba hahazo ny famelana ny fahotanareo,
dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.
Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana,
sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any,
rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika koa”.

Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe:

“Vonjeo ny tenanareo
mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity”.

Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny,
ka niampy tokony ho telo arivo ny isan’ny mpianatra
tamin’izany andro izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6

Ny Tompo no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.

Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany,
tarihiny amin’ny lala-marina.

Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 2, 20b-25)

Indro ankehitriny fa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

Ry hava-malala,
raha manao soa ianareo no ampahoriana,
ka miaritra amim-pandeferana,
dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Sady izany koa no niantsoana anareo,
satria i Kristy nijaly ho anareo koa,
ka namela fianarana ho anareo,
mba hanarahanareo ny diany;
dia Izy, Ilay tsy nanota akory,
na mba niloa-bava nilaza fitaka velively;
Izy Ilay notevatevaina, nefa tsy nandrahona,
fa nanolo-Tena tamin’ny mpitsara Azy tsy ara-drariny;
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo,
mba ho faty isika raha ny amin’ny ota,
fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana;
ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo,
ary indro ankehitriny
efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo,
sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)

Izaho no vavahadin’ny ondry.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny Farisianina hoe:

“Lazaiko marina aminareo,
fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry,
fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy;
fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.
Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy,
ny ondry mihaino ny feony,
ary izy miantso ny Azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
Rehefa tafavoakany avokoa ny azy,
dia mialoha izy,
ka manaraka azy ny ondry,
satria mahalala ny feony;
ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany,
satria tsy fantany ny feony”.

Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany,
nefa tsy azon’ireo izay nolazainy tamin’izany.
Ka hoy indray i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa Izaho no varavaran’ny ondry.
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako,
fa tsy nihaino azy ny ondry.
Izaho no varavarana.
Raha Izaho no idiran’ny olona, dia hovonjena izy,
ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana,
fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana,
sady hananany azy be dia be”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...