Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 26-33)

Notanterahin’Andriamanitra ny teny napetraka tamin’ny Razantsika tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany Pisidia any Antiôkia i Paoly,
dia niteny tao amin’ny Sinagôga nanao hoe:

“Ry rahalahy taranak’i Abrahama
sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa,
ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao,
satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny
dia tsy nahalala Azy,
ka nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany izay vakìna isan-tsabata,
tamin’ny nanamelohany Azy;
ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana Azy ho faty aza izy ireo,
dia nangataka ny hamonoana Azy tamin’i Pilaty.
Tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba Azy,
vao nesoriny tamin’ny hazo Izy, ka naleviny tao am-pasana.
Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona.
Ary niseho nandritra ny andro maromaro tamin’izay niara-niakatra taminy
avy tany Galilea ho any Jerosalema Izy,
ka dia ireo no vavolombelony amin’ny vahoaka ankehitriny.
Ary izahay koa mitory aminareo
ilay teny napetraka tamin’ny razantsika,
fa notanterahin’Andriamanitra tamintsika zanak’izy ireo izany,
tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona,
araka izay voasoratra amin’ny Salamo faharoa hoe:
Zanako Ianao: Izaho no niteraka Anao androany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 2, 6-7. 8-9. 10-11

Zanako Ianao Izaho no niteraka Anao androany.

Izaho no nametraka Azy ho Mpanjaka
eo Siôna vohitro masina!
Koa ambarako ny didin’ny Tompo:
Zanako Ianao, hoy Izy mantsy Ahy: Izaho no niteraka Anao androany.

Angataho amiko fa homeko ho lovanao ireo firenena,
ny ho fanananao ny faran’ny tany!
Poteho amin-tehim-by ireny,
ataovy fanamontsana vilany tany!

Koa mahafantara, ianareo Mpanjaka,
mahalalà, ry mpitsara ny tany!
Tompoy amin-tahotra ny Tompo;
orohy amin-kovitra ny tongony.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.
Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.
Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko;
raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho;
fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo,
ary rahefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo,
dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko,
dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako.”

Dia hoy i Tômà taminy:

“Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko,
ka ahoana no ahafantaranay ny lalana?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...