Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 15, 1-6)

Nifanara-kevitra izy ireo fa hiara-miakatra any Jerosalema handinika amin’ny Apôstôly sy ny Pretra ny zavatra niadiany hevitra.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy olona avy tany Jodea nampianatra ny rahalahy hoe:

“Raha tsy foràna araka ny Lalàn’i Môizy ianareo,
dia tsy ho voavonjy.”

Ka nony efa nifanditra sy niady hevitra mafy tamin’ireo i Paoly sy i Barnabe
dia izao no hevitra nifanarahana:
hiara-miakatra any Jerosalema i Paoly sy i Barnabe,
ary ny sasany amin’izy andaniny,
handinika amin’ny Apôstôly sy ny Pretra ilay zavatra niadiany hevitra.
Dia naterin’ny fiangonana teny ho eny izy ireo,
vao nanohy ny diany namaky an’i Fenisia sy i Samaria,
nitantara ny nibebahan’ny Jentily,
ka nahafaly indrindra ny rahalahy rehetra izany.
Nony tonga tany Jerosalema izy ireo,
dia noraisin’ny Eglizy sy ny Apostôly mbamin’ny Pretra,
ary nilaza ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminy.
Fa mba nitsangana kosa ny mpino sasany tariky ny Farisianina, ka nanao hoe:

“Tsy maintsy hoforàna ny Jentily,
sy didiana hanaraka ny Lalàn’i Môizy.”

Dia nivory ny Apôstôly sy ny loholona mba handinika izany raharaha izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 121, 1-3. 4-5

Faly aho nilazana hoe: Andeha ho any an-tranon’ny Tompo.

Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra,
nilazana fa hizotra ho any an-tranon’Izy Tompo.
Indro tonga soa ’zahay, tapitr’eto re ny dia.
Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.

Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo.
Ao ny Anaran’Izy Tompo no derain’i Israely.
Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao,
ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.
Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny,
ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.
Efa madio ianareo izao,
noho ny fampianarana nataoko taminareo.
Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo.
Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka
tsy mahazo mamoa ho azy,
ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko.
Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany.
Izay mitoetra ao amiko sy itoerako dia mamoa be,
satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany
tahaka ny sampana ka maina,
ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Raha mitoetra ao amiko ianareo
ka mitoetra ao aminareo ny teniko,
dia hangataka izay tianareo ianareo,
ka hatao aminareo izany.
Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...