Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 15, 22-31)

Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana anareo, afa-tsy izay zavatra tsy maintsy tandremana.

Taorian’ny fiaraha-midinika tao amin’ilay fivoriana lehibe tao Jerosalema,
dia nankasitrahin’ny Apôstôly sy ny Pretra mbamin’ny Eglizy rehetra
ny hevitry ny mpivory;
ka nifidy ny sasany tamin’izy rehetra izy ireo,
mba hirahina ho any Antiôkia hiaraka amin’i Paoly sy Barnabe:
dia i Jodà izay natao hoe Barsabasy,
sy i Silasy, lehilahy lohandohany tao amin’ny rahalahy, no laniny.
Ka izao no taratasy nampitondrainy azy ireo:

“Ny Apôstôly sy ny Pretra ary ny rahalahy
avy miarahaba ny rahalahy any amin’ny Jentily,
izay any Antiôkia sy Siria ary Silisia.
Noho ny nandrenesanay fa nisy olona avy tatý aminay,
izay tsy nahazo teny taminay velively,
nampitabataba anareo tamin’ny teniny sy nampitebiteby ny sainareo,
dia nivory izahay rehetra,
ka nifanara-kevitra ny hifidy olona hirahina ho any aminareo,
hiaraka amin’i Barnabe sy i Paoly malalanay,
lehilahy nanao vy very ny ainy ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Koa indreny i Jodà sy i Silasy nirahinay
hilaza am-bava izany zavatra izany aminareo.
Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana anareo,
afa-tsy izao zavatra tsy maintsy tandremana izao:
dia ny hifadianareo hena natolotra tamin’ny sampy sy ny ra
ary ny biby nokendaina, mbamin’ny fijangajangana;
soa ho anareo ny mifady an’izany.
Veloma.”

Dia nalefany izy ireo ka lasa nankany Antiôkia;
ary namory ny olona sy nanolotra ny taratasy tamin’izy ireo.
Nony namaky izany ny olona,
dia nifaly avokoa noho ny fanalana alahelo tao anatiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 56, 8-9. 10-12

Hidera Anao vory vahoaka aho, ry Tompo.

Mitombina ny foko, ry Andriamanitra!
ka mihira sy miantsa aho!
Foha, ry aiko! Foha, ry jejy sy valiha!
Izaho mifoha marainakoa,
fa hidera Anao vory vahoaka, ry Tompo,
hiantsa Anao anivom-pirenena.

Fa lehibe hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao,
mahatakatra ny rahona ny Fahamarinanao!
Misandrata, ry Andriamanitra, any ambonin’ny lanitra!
Eran’ny tany tontolo ny Voninahitrao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 12-17)

Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa
noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo
satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony
fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo,
ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo,
ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo
izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...