Alahady fahaefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo hanoloran'ny Fiangonana ny hevi-dehibe hoe : ny hevitr'Andriamanitra, tsy hevitsika. Ny Evanjely Masina nosoratan'i Md Lioka 1, 26-38 dia azahoana fintina hoe  : indro hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy. Soa kokoa ny hevitr'Andriamanitra noho ny hevitr'olombelona : te hanorina Tempoly ho an'Andriamanitra i David fa Andriamanitra te hanorina Fanjakana tsy manam-pahataperana ; ny Jody nanantena mpamonjy ho azy fa mpamonjy ho an'izao tontolo izao ny nomen'Andriamanitra...

[audio src="/images/sounds/vp-20231224.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 31 jolay 2026

• Tonga ao amin'ny Diosezin'Ambanja ny relikan'i Masindahy François d'Assise... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiaire” (ACAP) eto Madagasikara... • Mamarana ny fankalazana ny faha-100 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Fikambanana Trinitera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...