Izao tontolo izao no hirin'Andriamanitra ho fianakaviany. Ity alahady ity dia hankalazana manetriketrika ny nisehoan'ny Tompo ho amin'ny olombelona rehetra, ny famangian'ireo Majy an'i Jesoa Mesia, voateraka notantarain'ny Evanjely. Ny Majy dia tsy isan'ny Jody ary tsy mahafantatra ny faminaniana, sokajiana fa avy amin'ny hafa firenena, azo ambara anefa fa mpanjakan'ny tsy mpino sy ny mpanompo sampy. Toa an'i Abrahama ny Majy izay nantsoin'ny Tompo hiala amin'ny taniny ho any amin'ny tany nampanantenaina ho azy izay nentanin'ny finoana. Raha te hahita sy hihaona amin'ny Tompo isika dia mila mandeha lavitra ombam-pinoana, finiavana, herimpo... 

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...