Alahady fankalazàna ny sakramenta Masina sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia ; Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Ao amin'ny vatantsika olombelona dia andraikitra lehibe ny asan'ny ra : hery, aina, sakafo, fiadiana hanoherana ny aretina ; sitraki Kristy no nanolorany ny rany nalatsany teo amin'ny hazo fijaliana mba ho loharano hanovozantsika ny fiainana mandrakizay. Hoy Izy : raha tsy mihinana ny nofoko sy misotro ny rako ianareo dia tsy mba hanana ny fiainana ao  aminareo. Ny manao Kaominio dia mandray ra vaovao ao amin'ny fiainana, ra an'ilay nitsanga-ko velona, ra mpanasitrana, mpanadio...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...