Tanterahana miaraka any Lusaka (Zambie) nanomboka androany alatsinainy 17 ôktôbra ary hifarana ny zoma 21 ôktôbra, ny fihaonan’ny Vaomieran’ny Fifandraisan'ny mpiara-belona sy ny Vaomieran’ny Fiofanana eo anivon’ny Fikambanana Salezian’i Don Bosco aty amin’ny Faritra Afrika sy Madagasikarara.

Nanombohana ny fihaonana miaraka ny fandinihana ny hafatry ny Papa ho an’ny fankalazana ny Andro Maneran-tany faha-56 ho an’ny Fifandraisan’ny Mpiara-belona, nampitondrainy ny lohateny hoe : “Mihaino amin’ny sofin’ny fo”. Tanjon’izao fihaonana izao ny fifampizarana ny zava-misy isaky ny Province iasan’ny Salezianina aty Afrika sy Madagasikara, mahakasika ny sehatry ny fifandraisan’ny mpiara-belona sy ny fizotry ny fiofanana maha-relijiozy salezianina, ahafahana manombana ny amin’ny ho avy. Marihina fa mitarika izao fihaonana izao ny Sampana Foibe Salezianina avy any Roma momba ny Fifandraisan’ny mpiara-belona sy ny Fiofanana.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...