Tanterahana miaraka any Lusaka (Zambie) nanomboka androany alatsinainy 17 ôktôbra ary hifarana ny zoma 21 ôktôbra, ny fihaonan’ny Vaomieran’ny Fifandraisan'ny mpiara-belona sy ny Vaomieran’ny Fiofanana eo anivon’ny Fikambanana Salezian’i Don Bosco aty amin’ny Faritra Afrika sy Madagasikarara.

Nanombohana ny fihaonana miaraka ny fandinihana ny hafatry ny Papa ho an’ny fankalazana ny Andro Maneran-tany faha-56 ho an’ny Fifandraisan’ny Mpiara-belona, nampitondrainy ny lohateny hoe : “Mihaino amin’ny sofin’ny fo”. Tanjon’izao fihaonana izao ny fifampizarana ny zava-misy isaky ny Province iasan’ny Salezianina aty Afrika sy Madagasikara, mahakasika ny sehatry ny fifandraisan’ny mpiara-belona sy ny fizotry ny fiofanana maha-relijiozy salezianina, ahafahana manombana ny amin’ny ho avy. Marihina fa mitarika izao fihaonana izao ny Sampana Foibe Salezianina avy any Roma momba ny Fifandraisan’ny mpiara-belona sy ny Fiofanana.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...