Ny 20 aogositra 2023 no nanononan'i Frera Razafimandimby Michel Fabrice ny voady mandrakizay maha Salezianina azy. Ny lehibem-pikambanana eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy, i Mompera Bizimana Innocent no nitarika ny lamesa tao amin'ny Paroasy Masindahy Joany Bosco Ankofafa Fianarantsoa. 

Nankalazaina ny 27 jona 2021 ny taom-bolafotsin'ny Radio Don Bosco. Onjam-peo naorin'ny salezian'i Don Bosco tamin'ny taona 1996. Teny manentana mandritra ny fankalazana ny hoe : "Firotsahana sy hafaliana : mandehana mampianara ny firenen-drehetra" (Mt 28, 19). 

« Hasambarana sy hafaliana ho antsika rehetra ! », izay ny firariantsoa omen'i Frera Dieudonné Stéphane, sdb, misionera any Guatemala, amin'izao fanombohan'ny taona 2020. "Manantena aho fa tsara fanombohana ho anareo rehetra ity taona ity". Zarainy amintsika eto àry ireo zava-nitranga mahafinaritra niainan'izy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...